Filtrer les éléments par date : jeudi, 17 octobre 2019

Latsaka rà teny Ambohitrimanjaka androany. Niitatra tamin’ny fanimban-javatra ny fanoheran’ny olona ny firosoan’ny fanjakana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Tanà-Masoandro. Nisy olona dimy voasambotra, niainga tamin’ny sary azon’ny mpitandron’ny filaminana.

Publié dans A la Une

Nialoha ny niaingan’izy ireo dia tonga tetsy amin'ny Ivotel Ambohidahy-Antananarivo, nipetrahan’ireo mpilalaon’ny Barea tamin’ny fampivondronana azy ireo, nitsodrano ny delegasiona malagasy nanainga ho any Namibia ny filohan'ny Federasiona malagasy ny baolina kitra, Arizaka Raoul sy ny mpikambana ao amin'ny komity mpanantanteraka omaly hariva.

Tamin'ny 3 ora maraina, ity andron’ny alakamisy 17 oktobra 2019 ity ny Barea CHAN no nanainga teny Ivato hiatrika ny lalao miverina amin'i Namibia ny 19 oktobra 2019, hahazoana ny tapakila hiatrehana ny dingana famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra ifaninanan’ireo mpilalao tsy mpilaravinahitra.

 

Publié dans Sport

Hatomboka amin’ny 21 oktobra ny fanaovana fitsarana faobe « Audience Foraine » eto Antananarivo, hitsarana ireo adi-heloka tsotra izay miandry ny fitsarana azy ireo any am-ponja.

Atao izao mba hamerenana amin’ny laoniny ny raharaham-pitsarana amin’ny alalan’ny fitsarana, araka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Hitarina manerana ny Nosy ity « Audience Foraine » ity satria mahatratra 60% mameno ny fonja ireo olona miandry ny fitsarana azy ireo noho ny resaka adi-heloka tsotra sy ny ady madio, hoy hatrany ny Filoham-pirenena.

 

Publié dans Sociale

Pierre Djaosera indray izao no lehiben’ny Distrikan’i Vavatenina. Andriamaro Jovin Thomas no lehiben’ny Distrikan’i Beroroha. Rabotohavana Florent Cilli De Rinal no lehiben’ny Distrikan’Andilamena. Ramaha Rakotoniaina Ando Tantelinirina no lehiben’ny Distrikan’i Morombe. Ravozanaka Arilala José no lehiben’ny Distrikan’Ifanadiana.

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 16 oktobra 2019 ny didim-panjakana nanendrena an’ireo andiana lehiben’ny Distrika ireo.

Nofoanana nandritra io filankevitry ny minisitra io kosa ny didim-panjakana nanendrena Distrikan’Andapa. Tsy mbola voatendry kosa ny ho solony.

 

Publié dans Tselatra

Miova sata ny BNGRC (Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes). Nolaniana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny didim-panjakana mametra sy mandamina ny fitantanana ny BNGRC, ka tsy ho Secrétariat Exécutif intsony ny fitantanana fa ho lasa EPA (Etablissement Public à caractère Administratif), ka hanana ny Tale jeneraliny sy ny filakevimpitondrany manomboka izao.

 

Publié dans Tselatra

Nofoanana nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 16 oktobra 2019 ny didim-panjakana nanendrena ny Préfet an’Ambatondrazaka.

Mitranga izany roa andro taorian’ny dian’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, taty an-toerana, nametraka vatofehizoron’ny fanamboarana fotodrafitr’asa maromaro.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 17 octobre 2019 13:09

Institut de Gemmologie de Madagascar

Voatendry ho Tale Jeneraly mpisolotoerana vonjy maika Rajaoarisoa Nirisoa Fanjaniaina.

 

Publié dans Tselatra

17 octobre: Journée Mondiale du refus de la misère.

 

Publié dans Fil info

17 octobre: Journée mondiale du don d'organes et de la greffe.

 

Publié dans Fil info

Andray anjara i Madagasikara amin'ny fifaninana ROBOTEX izay atao any Arménie ny faha 9 novambra ho avy izao.

Amin'io no ampisehoana ny zava-bitan'ny Malagasy izay mitaha amin'ireo firenena maro be.
Ity hetsika ity moa dia mamondrona ireo tanora 14 ka hatramin'ny 18 taona izay atao isan-taona.

Ny STEM4GOOD no manomana izany hoantsika eto Madagasikara, ary manao ny sivana hoan'ireo tanora siantifika .

Mangataka fanampiana ireto farany amin'ny saran-dalana hamonjy any Armenie, izay efa hiantohan'ny mpikarakara ny lany rehetra any an-toerana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture