Filtrer les éléments par date : vendredi, 18 octobre 2019

Omaly hariva vokatry ny sakoroka teny Ambohitrimanjaka, toerana kasaina hanaovana ny tetikasa Tana Masoandro, dia voadaroka tamin'ny lohany ny Zandary iray. Nahiditra hopitaly eny amin'ny HJRA izy.

Omaly ihany dia nampatorian'ny mpitsabo izy, satria dia voa mafy tokoa ny lohany. Androany maraina dia nandalo fandidiana, anesorana ireo ra miandrona ao anatin'ny lohany, vokatry ny daroka.

Io hariva io dia efa mahatsiaro tena izy, fa mbola tsy tafavoaka ny ala satria mbola atahorana ny ratra mafy nahazo ny lohany.

 

Publié dans Tselatra

Nivory tao amin’ny CFM Ampefiloha, androany zoma 18 oktobra 2019, ireo filohan’ny andrimpanjakana efatra, dia Rakotovao Rivo (Antenimierandoholona), Maka Alphonse (CFM), Navony Pierre Lenoble (HCDDED) ary Rabenoro Irène (CNIDH). Nanao fanambarana iraisana izy ireo miantso fitoniana amin’ny andaniny sy ny ankilany indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.

Miantso ny tomponandraiki-panjakana ihany koa izy ireo hampiato ny fanombohan’ny asa, ary miantso ny vahoaka ihany koa hampiato ny fihetsiketsehana ka hifanantona.

Mahita ihany koa ireto filohan’ny andrimpanjakana ireto fa tsy ampy ny mangarahara sy ny serasera manodidina ny fanatanterahana ny tetikasa eny Ambohitrimanjaka.

 

Publié dans Tselatra

Nanao fanambarana ireo Solombavam-bahoaka voafidy avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara io tolakandro io, manameloka ny fifamonoan’ny samy Malagasy tamin’ny fifanjevoana teny Ambohitrimanjaka ny harivan’ny alakamisy 17 oktobra 2019.

Nitondra teny i Me Hanitra Razafimanantsoa, Solombavam-bahoaka voafidy tao Antananarivo Voalohany, izay nanipika fa ho aiza ny firenena raha tetikasa goavana no atomboka amin’ny fandatsahan-dra.

Rehefa tsy mety dia avereno ny fakan-kevitra, misy dingana tokony arahina, hoy hatrany ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Samy manana tombontsoa na ny Fanjakana te hanao ny tetikasa na ny tompon’ny tany mivelona amin’ny toerana hanaovana tetikasa.

Publié dans Politique

Rehefa nandalo teny ny solotena avy tao amin'ny CNAPS, izay nahatratra zaza tsy ampy taona miasa ao amin'ity orinasa mpandrendrika vy eny Ampangabe Analamanga ity, dia tamin'ity herin'andro ity indray no nidina teny an-toerana ry zareo ao amin'ny inspection du travail.

Hatreto moa tsy mbola fantatra ny vokatry ny fidinana teny an-toerana, na dia hita sy mampiahiahy aza ny mahita ireto mpiasa aman-jatony tsy misy fiarovana ara-tsosialy, tsy misy contrat de travail fa miasa tselika mandray karama isan'andro, nefa mpiasa efa miasa aman-taonany maro.

Tsy hita ihany koa hatreto ny fanadihadiana momba ireto mpiasa vahiny amanjatony latsaka, ka ny atsasany dia teraka ny 1 janoary avokoa, manana taratasy ara-dalàna ve izy ireo, ary indrindra, manaja ny andininy faha 43 ny lalanan'ny asa ve, izay mametraka fa tsy maintsy manana Visa de travail, izay voamarin'ny ministeran'ny asa sy ny inspection de travail, izay vao mahazo miasa eto Madagasikara.

Publié dans Vaovao
vendredi, 18 octobre 2019 16:36

Litige Air Madagascar - Air France

La compagnie nationale va exercer tous les recours légaux à sa disposition.

 

Publié dans Fil info

Efa any Namibia maka volontany, ary efa niatrika fanazarantena, nitsapa kianjan’ny Sam Nujoma Stadium ny Barea, hiatrehana ny lalao miverina amin’i Nambia hatao rahampitso.

Efa nandresy 1 noho 0 ny Barea tamin’ny lalao mandroso tetsy Mahamasina, Madagasikara. Ady sahala dia ampy hahazoan’ny Barea tapakila hiazoana an’i Cameroun hiatrehana ny CHAN 2020.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Anio zoma 18 oktobra 2019 amin’ny 6ora hariva no havoaka ny voka-panadinana bakalôrea 2019 ho an’ny faritany Antsiranana na sokajy ankapobeny na teknika. 39,73% ny taham-pahafahana fanadinana tamin’ity, ho an’ny sokajy ankapobeny.

 

Publié dans Tselatra

Sora-tanana, toa manaporofo fa nilaozan’ny herinaratra hatramin’ny fanontana printy, izay no nanaovan’ny Jirama Morondava ny filazana manazava ny olana amin’ny famatsiana jiro sy rano eto an-drenivohitry ny Faritra Menabe. Miandry fahatongavan’ny solika ny eto an-toerana hamerenana amin’ny laoniny ny famokarana sy fitsinjarana jiro sy rano.

 

 

Publié dans Tselatra

Nanao fanatanjahan-tena vao maraina tety amin’ny Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra, androany, i Rina Randriamasinoro niaraka tamin’ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara Marc Ravalomanana.

Nandray Taxi-Be niazo an’Anosibe izy ireo taorian’izay. Niaina sy nijery ny zava-misy tety an-toerana. Nitafa sy nidinika nivantana tamin'ny mpivarotra amoron-dalana. Nifampiresaka tamin'ny mpandeha Taxi-be momba ny fitaterana sy ny fitohanana.

Niara-nanadio tamin’ireo mpamafa lalana an’ny Kaominina Antananarivo renivohitra ihany koa.

Kandida amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra hatao amin’ny 27 novambra 2019 i Rina Randriamasinoro ; narotsaky ny antoko Tiako i Madagasikara, mitondra ny laharana faharoa (2) amin'ny bileta tokana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

« Tena isika izao tokoa no hanomboka ny tantara vaovao mahakasika ny fampandrosoana ny Faritra SAVA », io no nanombohan'ny Governoran’ny Faritra SAVA, Tokely Justin, ny lahateniny nandritra ny lanonana nametrahana azy tamin'ny fomba ofisialy, handraisany ny asany ny 17 oktobra 2019 teto Sambava.

Nozarainy telo lehibe ireo laharam-pahamena hitany ho entina mampandroso ny Faritra, dia ny ady amin'ny kolikoly satria « efa lasa fomba ratsy iainana, indrindra ho an'ireo mpitondra fanjakana voatendry hiasa aty amin'ny faritra » hoy izy ka « tsy ho ekena intsony izany manomboka izao, ary hatsangana eto amin'ny renivohi-paritra ny sampan’ny Bianco ».

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2