Depiote Andry Ratsivahiny: Mipaingotra ny Praiminisitra hanazava ny zava-misy fa « miahiahy ny olona »
Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny facebook androany i Andry Ratsivahiny, Solombavambahoaka IRD, voafidy tao Antananarivo Atsimondrano, miantefa amin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, « haneho fanazavana ianao amin'ny maha lehiben'ny mpanatanteraka anao amin'izao zavatra misy izao : Jiro tapaka, ny Rano tsy misy, ny solika tsy misy tampoka ».
Marina fa misy Minisitra tompon'andraikitra eo, hoy ny fanambarana fa « ianao no voalohany tompon'andraikitra ». Tsy nitsitsy teny ity Solombavambahoaka ity milaza fa « esory izay tompon'andraikitra tsy mahavita » ; ary « hazavao ny zava-misy fa aza atao tompon-trano mihono ny vahoaka. Fa tsy hoe : hiandry ny Filoha Andry Rajoelina hanazava amin'ny vahoaka ianareo akory. Efa mazava ny toromarika nomeny ».
« Rehefa fantatry ny Malagasy ny zava-misy, dia izay no tsara indrindra. Fa lasa miahiahy ny olona », hoy i Andry Ratsivahiny namarana ny teniny.
(Jereo Sary Tohiny)
Antetezambaro RNS 5: Hosoloina « Pont Mabey » ilay tetezana tapaka androany
Niainga androany alarobia 23 oktobra 2019 hariva teto Antananarivo ny fiara vaventy voalohany hitondra ireo singa « Pont Mabey » hanoloana ilay tetezana simba eo Antetezambaro amin’ny làlam-pirenena RNS 5, hamerenana amin'ny laoniny ny fifamoivoizana eto amin'ity tetezana ity.
Hiainga ny alakamisy 24 oktobra 2019 maraina ny fiara vaventy faharoa hitondra ny fanampin'ireo fitaovana hananganana ilay « Pont Mabey » ireo.
Tapaka ny marainan'ity alarobia 23 oktobra 2019 ity io ny tetezana vy eo Antetezambaro làlam-pirenena RNS 5 io.
(Jereo Sary Tohiny)
Fitantanam-panjakana: Andry Rajoelina any Sotchi (Rosia), Ntsay Christian atsy La Réunion
Milamina i Madagasikara ! Izay no azo andikana ny tsy maha eto an-toerana amin’ny fotoana miaraka ireo lehiben’ny andrimpanjakana mpanatanteraka, mpitantana ny firenena.
ASOIMI 2019: Miseho amin'ny endriny vaovao
Niverina amin'ny endriny vaovao indray ilay lalao ASOIMI, fanatanjahantena ifaninanan’ny samy mpiasam-panjakana, izay efa ho 20 taona nisiana izay. Antsirabe no nisantatra izany, ka isan'ny nampiavaka izany ny fisokafana amin'ireo orinasa tsy miankina. Nanomboka ny sabotsy 19 oktobra teo izany, ary hitohy hatramin’ny zoma 25 oktobra.
Toerana roa no hanaovana ny hetsika, dia ny ao amin'ny ENSOA sy ny ACMIL Antsirabe. Ny baolina kitra, atletisma, tenisy, tsipy kanetibe, baskety ary ny dihy ara-panantanjahantena no hifaninanana amin'izany, ankoatry ny lalaon-tsaina isan-karazany.
Nambaran-dRalaidosy Jean Claude fa tsy hifanitsaka amin'izay hetsiky ny mpiasam-panjakana izy ireo, satria efa nahazo fankatoavana tany amin'ny ministeran'ny Ati-tany, ary efa niova ihany koa ny anarana hoe: « Association Sportive Otronin'ny Mpiasa Iray tanjona », izy ireo ankehitriny.
Ny zoma izao moa no hanaovana ny famaranana rehetra sy ny fanolorana amboara hoan'ireo mpandresy amin'izany.
Ambatondrazaka: Hisy fahatarana ny famatsiana solika
Nandefa taratasy fampahafantarana ireo toby mpaninjara solika teto Ambatondrazaka ny Fitondrana, ny 22 oktobra 2019, fa mety hisy fahatarana ny famatsiana solika, ka misy fandaminana tokony harahina hitsinjovana ireo hopitaly, mpitandro ny filaminana sy ireo sampandraharaha saropady.
Tana-Masoandro: Hitohy eny Ankadimanga Ambohidrapeto ny diniky ny Fanjakana amin’ny vahoaka
Ho avy eny Ankadimanga Ambohidrapeto, Distrika Antananarivo Atsimondrano ny alakamisy 24 oktobra 2019 ny iraka avy amin'ny Fiadidiana ny Repoblika hitarika ny delegasiona hidinika amin'ny mponina eny an-toerana mikasika ny tetikasa Tana-Masoandro
Efa nisy fihaonana toy ity notanterahina teny Anosibe Zaivola, Boriborintany faha-6 Antananarivo Renivohitra sy teny Ambohitrimanjaka, Distrika Ambohidratrimo.
Antananarivo: Miverina ny delestazy
Nanao fanambarana ny Jirama androany fa dia voatery hampihatra ny « délestage tournant » eto Antananarivo sy ny manodidina, eo anelanelan’ny amin’ny 5 ora sy fahefany hariva ka hatramin’ny 11 ora alina, noho ny olana ara-teknika misy ao amin’ny tobim-pamokarana herinaratra tantanan’ny AKSAF Power ao Ambohimanambola-Antananarivo, ka miteraka tsy fahampian’ny herinaratra vokarina.
Rodoben'ny mpanohitra: Mitaky ny hampijanona ny fanotorana tany eny Ambohitrimanjaka
Raha mbola mitohy ny ataon'ireo avy amin'ny fitondram-panjakana dia ho hita eo ny tohiny hoy ireto mpanohitra ireto nandritry ny valandresaka nataon'izy ireo tamin'ny mpanao gazety omaly.
Mitaky ny ampijanonana ny fanotofana tany eny Ambohitrimanjaka izy ireo.
(Jereo Sary Tohiny)
Antetezambaro RN5: Tapaka ny tetezana
Fiara kely sisa no afaka mandalo amin’ny tetezana eto Antetezambaro amin’ny lalam-pirenena faha-5, nanomboka ny misandratrandron’ity alarobia 23 oktobra 2019 ity, noho ny fahasimban’ny tetezana. Ahiana ho tapaka tanteraka ny tetezana raha tsy misy fandraisana andraikitra haingana.
(Jereo sary Tohiny)
Fafa Mahaleo: Nosalorana mari-boninahitra grand officier de l'ordre national
Nosalorana mari-boninahitra grand officier de l'ordre national i Rajaonarison Famantanantsoa na Fafa Mahaleo. Ny praiministra Ntsay Christian no nanolotra izany. Ny Razana dia hanainga eto amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny tolakandro.
Mifandimby manolotra hira ireo mpanakanto maro be alohan'ny hiazoany ny fiangonana tranovato Faravohitra, ary eny Ilafy kosa ny handevenana azy.
(Jereo Sary Tohiny)