Filtrer les éléments par date : samedi, 26 octobre 2019

Nifarana ny marainan’ity sabotsy 26 oktobra ity ny fanadinana Bakalorea ankapobeny andiany faharoa manokana. Nilamina tanteraka ny fizotran’ny fanadinana nanerana ny Nosy, hoy ny avy amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, tompon'andraikitra voalohany amin’ny fanatontosana ity fanadinana ity.

Hanomboka amin’ny alatsinainy 28 oktobra ny fitsarana ireo taratasim-panadinana ho an’ny Bakalorea andiany manokana, ary hivaly ny herinandro manaraka aorian’ny fitsarana izany.

 

Publié dans Tselatra

Natolotra ny Fitsarana omaly zoma 25 oktobra 2019, ary tazomina am-ponja vonjimaika ao Antalaha ireo olona telo, izay voarohirohy ho tompon'antoka amin'ny fanamboarana vola sandoka ato amin'ny Faritra SAVA.

Nanao velam-pandrika ny Polisy taorian’ny fanomezam-baovao avy amin'ny tsara sitrapo ka tra-tehaka tao an-trano, tao Antanambao Soaline Fokontany Antaimby - Sambava, ny roa mianadahy, ary tany Antalaha ny iray mpiara-miasa amin’izy ireo.

Efa lasibatr’izy ireo ny tantsaha iray nivarotra lavanila tetsy amin'ny « parcage » Antanifotsy II, tapa-bolana lasa izay. Nifanaraka izy ireo fa iray tapitrisa Ariary ny iray kilao, kinanjo vola sandoka ny ankamaroan’ny vola voarain’ilay tantsaha rehefa namerina nanisa vola izy nony tonga tany an-tranony.

Mbola karohina ireo mpiray tsikombakomba amin’izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Après 9 mois au pouvoir, on commence à apercevoir les premières fissures au sein de la plateforme Isika Rehetra miaraka amin’ny prezidà Andry Rajoelina (IRD) !

Un petit rappel est nécessaire afin de nous rafraîchir la mémoire, durant les dernières législatives l’IRD soutenant Andry Rajoelina a obtenu 84 sièges sur les 151 dont compte l’Assemblée nationale, soit 55,63%, suivi des Indépendants avec 30,46% (46), le Tiako I Madagasikara 10,6% (16), et les « autres » 3,31% (5). C’est la 1ére fois de notre histoire que les Indépendants constituent la 2nde force au sein de Tsimbazaza, parmi eux figurent d’ex-Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM), parti en voie d’extinction.

Publié dans Editorial

Nomarihina tamin’ny fambolena zanaka honko tao Manombo, Distrikan’i Toliara faharoa ny fankalazana ny Andron’ny Firenena Mikambana, ny alakamisy 24 oktobra 2019. Nitarika ny hetsika ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian.

Ilaina ny mamorona ala vaovao noho ny fiovaovan’ny toetr’andro, hoy hatrany ny Praiminisitra, ka tsy tokony hatao fombafomba fotsiny izao hetsika izao, fa mila fikojakojana ireo zana-kazo novolena, satria miteraka harena vaovao izy ireny, ary mitondra fampandrosoana ho an’ny faritra misy azy.

Publié dans Vaovao

Fokontany miisa fito ato amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Morondava, renivohitry ny Faritra Menabe no ahazo tombony amin’ireo jiro mandeha amin’ny herin'ny masoandro avy amin’ny Green Energy Solutions (GES). Miisa 28 ireo jiro ireo ary mitetibidy 15 tapitrisa Ariary.

Nandray izany ny Ben’ny tanàna Kolo Frijof noho ny Kaominin’i Morondava nisantatra ny fiaraha-miasa tamin’ny GES.

Hiitatra amin’ny fanarenana sekoly eo Nosikely sy ny sehatry ny fahasalamana ny fiaraha-miasa, ka hotolorana fitaovana fitsaboana nify ihany koa ny eto Morondava , hoy ny Tale jeneralin’ny GES.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale