Filtrer les éléments par date : dimanche, 27 octobre 2019

Resin’ny Fosa Juniors Madagasikara tamin’ny isa 2 noho 0 ny RS Berkane avy any Maroc tamin’ny lalao savaranonando mandroso hahazoana tapakila hidirana anaty vondrona amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona afrikanina amin’ny baolina kitra 2019-2020.

Baolina matin’i Jean Yves teo amin’ny minitra faha-11, nampian’ny « Penalty » nodakan’i Baggio no nahazoan’ny Fosa Juniors ireo isa roa nitondra ny fandreseny androany, tamin’ny lalao notontosaina teo amin’ny kianjan’ny Cnaps Vontovorona.

Nahazo « Penalty » ihany koa ry zareo Maraokanina saingy voatohan’i Fabrice, mpiandry haraton’ny Fosa Juniors ny baolina ka tsy tafiditra. Manantombo hiatrehana ny lalao miverina ny Fosa Juniors.

Tonga nijery nivantana ity lalao androany ity teny Vontovorona ny filohan'ny kaonfederasiona ny baolina kitra, Ahmad.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Hanatanteraka filankevi-pirenena ao amin’ny Live Hotel Andavamamba Antananarivo ny antoko UNDD (Union Nationale pour le Développement et la Démocratie) ny 30 sy 31 oktobra ho avy izao.

Mandritra io fotoana io no hamaritan’ny antoko ny heviny sy ny toerana misy azy manoloana ny raharaham-pirenena.

Antoko naorin’ny Pr Zafy Albert tamin’ny taona 1988 ny UNDD, tafiditra amin’ny fankalazany ny faha-30 taona nitsanganany ara-panjakana amin’ity taona 2019 ity ny fanatanterahana ity filankevi-pirenena ity.

Dr Rakotovahiny Emmanuel ankehitriny no mitantana ny antoko, ary Pr Manoro Régis no Sekretera jeneraly.

 
Publié dans Politique

Notsaraina fitsarana ny zoma 25 oktobra teo ny raharaha famonoana Polisy telo namita iraka tao Ambodiazinina Fenoarivo Atsinanana, nitranga tamin’ny volana oktobra 2018.

Niisa 18 ny olona voarohirohy tamin’ity raharaha ity, ka ny roa izay mpivady, fototry ny olana dia namoahan'ny Fitsarana didy dimy taona an-tranomazina manao asa an-terivozona. Ilay tovolahy tsy ampy taona voatifitr’ilay polisy talohan'ny nahafatesany kosa namoahan'ny Fitsarana didy 30 volana an-tranomaizina, ary ny 15 ambiny afaka madiodio avokoa.

Naka mpisolovava niaro azy ireo depioten’i Fenoarivo Atsinanana, Mohamad Amad.

 

Publié dans Tselatra

Niavaka ny andron’ny sabotsy 26 oktobra ho an’i Rina Randriamasinoro. Fotoana io nampahafantarana sy nanoloran’ny antoko Tiako i Madagasikara azy tamin’ny mponina eny amin’ny Boriborintany niaraka tamin’ireo mpanolotsaina miaraka aminy.

Anjaran’ny tao amin’ny Boriborintany fahadimy sy fahatelo io sabotsy 26 oktobra io, ka teo amin’ny Kianja Maitso Analamahitsy no nanolorana azy ho an’ny Boriborintany fahadimy, tao amin’ny Magro Behoririna kosa ho an’ny Boriborintany fahatelo.

Publié dans Politique

Resin’i Afrika Atsimo tamin’ny isa 19 noho 16 i Pays de Galles androany nandritra ny lalao manasadalana faharoa natao androany alahady 27 oktobra 2019 amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny taranja rugby andiany faha-9, izay tanterahina any Japon ny 20 septambra 2019 hatramin’ny sabotsy 2 novambra 2019. Nivoaka nandresy tamin’ny isa 19 noho 7 koa i Angletera nanoloana an’i Nouvelle Zélande.

Hanao ny famaranana i Afrika Atsimo sy Angletera, lalao hatao amin’ny sabotsy 2 novambra 2019. Izay tafavoaka mpandresy eo no tompondaka vaovao handimby an’ny All Blacks avy any Nouvelle Zélande.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

27 octobre: Journée mondiale de l'ergothérapie.

L'ergothérapie est une profession de la santé visant la promotion de la santé et du bien-être des individus et des communautés, au travers de leurs occupations.

 

Publié dans Fil info

27 octobre: Journée mondiale du patrimoine audiovisuel.

 

Publié dans Fil info