Filtrer les éléments par date : lundi, 28 octobre 2019

Mety rahampitso talata 29 oktobra no hanomboka ny fitsarana ireo taratasim-panadinana Bakalôrea aty Antsiranana. Miandry ireo taratasim-panadinana avy any amin’ny Faritra SAVA no voalaza fa antony.

 

Publié dans Tselatra

Fiara be mpitatitra solika miisa 96 sy wagon miisa 21 mpitatitra solika amin’ny lalamby no namonjy ireo toby fitahirizan-tsolika miisa 24 manerana an’i Madagasikara taorian’ny nahatongavan’ny sambo Gulf Coral, mpitondra solika, ny marainan’ny zoma 26 oktobra 2019.

Lasantsy mitontaly 1 tapitrisa litatra sy gazoala mahatratra 2,7 tapitrisa litatra no efa notaterin’izy ireo avy any Toamasina, ary mbola mitohy izany fitaterana izany, araka ny fanambarana nataon’ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures).

 

Publié dans Tselatra

Manomboka ny 28 oktobra 2019, mifarana ny 30 jona 2020 ny taom-pianarana 2019-2020 ho an’ny fampianarana miankina amin’ny fanjakana.

Mitsinjara ho telovolana telo ny taom-pianarana ka hifarana amin’ny 20 desambra 2019 ny telovolana voalohany.

Efa voafaritra ny datim-panadinana, dia ny 7 jolay 2020 ho an’ny CEPE, ary ny 20 ka hatramin’ny 24 jolay 2020 ho an’ny BEPC.

Nisy korontana tamin’ireo EPP sy CEG sasantsany androany maraina, toy ny teny Ampitatafika, Andoharanofotsy, Soavimasoandro raha ny teto Antananarivo sy ny manodidina noho ny fitakiana vola sara-fisoratanana anarana amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, nefa ny Fanjakana nilaza fa maimaimpoana ny fampidirana mpianatra.

 

Publié dans Tselatra

Hiroso amin’ny fitsarana ireo taratasim-panadinana Bakalôrea ny mpitsara manomboka amin’ity alatsinainy 28 oktobra ity, araka ny fampahafantarana nataon’ny teo anivon’ny Oniversite ny faran’ny herinandro lasa iny.

Ny atoandron’ny sabotsy 26 oktobra 2019 no nifarana ny adina an-tsoratra ho an’ny fihodinana faharoa manokana, ho an’ireo mpiadina amin’ny fampianarana ankapobeny. Amin’ny herinandro ambony any no andrasana ny valim-panadinana.

 

Publié dans Tselatra

28 octobre: Journée Internationale de la langue et de la culture créole.

 

Publié dans Fil info

28 octobre: Journée mondiale du cinéma d'animation.

 

Publié dans Fil info
lundi, 28 octobre 2019 12:22

28 octobre: Journée mondiale du judo

28 octobre: Journée mondiale du judo.

 

Publié dans Fil info

Ireo Nosy Malagasy, na "îles éparses" fiantson'ny Frantsay azy, dia Nosy 05, ka ny 04 ao andrefan'i Madagasikara, Europa, Bassas da India, Juan de Nova, les Glorieuses ao amin'ny canal de Madagascar (Canal de Mozambique), ary ny iray fahadimy Tromelin eo avaratra atsinanan'i Madagasikara.

Ahoana ny momba ireo Nosy ireo?

Publié dans Editorial
Page 2 sur 2