Filtrer les éléments par date : mardi, 29 octobre 2019

Tonga tetsy amin’ny lapan’Anosikely androany ny solotenan’ny vahoaka avy amin’ireo Kaominina voakasika amin’ny tetikasa Tana Masoandro, nihaona tamin’ireo Loholona, ho tohin’ny fankan-kevitra efa nataon’ireo Loholona teny Ambohitrimanjaka ny alatsinainy 21 oktobra 2019.

Mangataka ny hihaona mivantana amin’ny Filoham-pirenena izy ireo, satria tsy ahitambaha-olana ny fihaonana tamin’ireo solotena izay nalefan’ny Fiadidiana ny Repoblika, sy ny taratasy izay nalefan’ny mponina amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Nangataka ireto loholona ireto ny solontenan’ny mponina mba hitady ny vahaolana sy hitondra ny feon’izy ireo any amin’ny Filoham-pirenena.

Publié dans Vaovao

Tsy mahazo fitenenana amin’ireo haino aman-jery tsy miankina isan’ny be mpanaraka eto Mahajanga i Andriantomanga Mokhtar Salim. Nisy adihevitra tokony nifandaharan’ity farany tamina kandida amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna eto Mahajanga, tamin’io haino aman-jery io, saingy tsy tanteraka izany noho io sakana io.

Araka ireo loharanom-baovao samihafa dia tsy nahafaly ny tompon’ireo haino aman-jery ireo ny tsy nahavitan’i Mokhtar nanome fahafaham-po ny fangatahany amin’ny hanesorana ireo olona nanao asa fanorenana ka manakona ny foto-drafitrasany sy taniny eny amin’ny Grand Pavois sy Jardin d’Amour.

Publié dans Politique

Ny tolakandron’ity talata 29 oktobra 2019 ity no niantsona eto amin’ny seranantsambon’i Toamasina ny sambo mpitatitra solika MT/ MR AQUARIUS, izay mitondra gazoala 36,6 tapitrisa litatra. Hisy sambo hafa ho avy amin’ny 15 novambra 2019.

Ny alahady 27 oktobra dia lasantsy 600 000 litatra sy gasoil 2 300 000 litatra no niala teto Toamasina namatsiana ireo toby fitehirizan-tsolika any Antananarivo sy ny faritra.

 

Publié dans Economie

Fihetsika mahatehidera no nasehon’ny ZRPS DELTA Tsaratanana omaly, nanavotra lehilahy iray naratra vaky loha vokatry ny fianjerana. Tsy nisalasala ny avy ao amin'ny Tafika nandray sy nitondra ity maratra ity, izay sendra azy ireo teny an-dalana, nandritra ny fisafoana tamin’ny lalana RN33A mampitohy an'i Tsaratanàna amin'ny sampanan-dalana Ambondromamy, ka nitondra azy ho tsaboina any Ambondromamy.

Izao hoy ny mponina no tena andrasana amin'ny Tafibahoaka, hanampy sy hiaro azy amin'ny sarotra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Mitaraina ny mpandeha fa atahorana izay tsy izy ny miala an'i Sakaraha hariva miazo an’i Toliara, sy miala an'Andranovory hariva mankaty Toliara. Misy mitifitra sy mitorabato eny an-dalana manaraka ny lalam-pirenena faha-7.

 

Publié dans Tselatra

29 octobre: Journée mondiale des accidents vasculaires cérébraux.

 

Publié dans Fil info

Toeram-pivarotana enta-madinika iray tao Arivonimamo no notafihin’ny jiolahy miisa dimy, nitondra fitaovam-piadiana ny alarobia 23 oktobra 2019 tokony ho tamin’ny 5ora hariva. Noraofin’izy ireo ny entana mora entina sy maivana toy ny sigara, finday miarana amin’ny fahana ary vola 2 080 000 Ariary, dia rifatra nitsoaka izy ireo.

Vao nahazo fampandrenesana ny Zandary avy amin’ny « Brigade territoriale » Arivonimamo dia nanao fanarahan-dia avy hatrany amin’izay lalana noheverina fa nitsoahan’ireo olon-dratsy, nampiasa moto, ary nampilaza ireo Zandary manodidina.

Sarona nandritra ny fisavana fiara mampitohy an’Analavory amin’i Tsiroanomandidy, teo amin’ny sakana nataon’ny Zandary avy amin’ny brigadin’Ankadinondry Sakay izy dimy lahy, niaraka tamin’ny ambin’ny entana sy vola halatra. Nakarina nankao amin’ny brigady Arivonimamo izy ireo natao famotorana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Sazy ara-bola mitentina 120 tapitrisa Ariary ho an’ny orinasa Logistique Pétrolière SA (LPSA), ary 60 tapitrisa Ariary isanisany ny an’ny orinasa Total ary Vivo (Shell). Nivoitra ireo ny alatsinainy 28 oktobra nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataon’ny minisitry ny angovo sy ny rano ary ny akoran’afo Andriamanga Vonjy, sy ny avy amin’ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures) teny Ampandrianomby-Antananarivo.

Ireo mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny solika ireo no nahatonga ireny fikorontanana tamin’ny famatsiana solika tamin'ny herinandro ireny ka nahatonga ny Ministeran'ny Angovo nandray ny fepetra, araka ny fanazavan’ny minisitra.

Publié dans Economie