Filtrer les éléments par date : mercredi, 30 octobre 2019

Naverina nosokafana androany 30 oktobra 2019 ny sidina Tsaradia, izay mampitohy an’Antananarivo – Ambatondrazaka – Toamasina. Sidina roa no hotanterahina isan-kerinandro.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nisy ny sehatra ifampidinihana nanasan'ny CENI ireo mpisehatra rehetra amin'ny fifidianana (antoko politika, fiarahamonim-pirenena, rafi-panjakana, mpampahalala vaovao), teny amin’ny foibe Alarobia Antananarivo androany, niresahana momba ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsainan’ny Tanàna.

Niompana tamin’ny fizaram-baovao momba ny fizotry ny fanomanana ny fifidianana, ny fampielezan-kevitra ary ny fikirakirana ny voka-pifidianana ity sehatra ifampidinihina ity, ary narahina fanontaniana arahim-baliny sy fandraisan'ny CENI ny fanamarihana avy amin'ireo mpisehatra nandray anjara.

Nisy ihany koa ny famelabelarana ny "Teny ierana hanompo vahoaka" (charte de bonne conduite des candidats aux élections communales et municipales), izay niarahan'ny komity iombonana namolavola, toy ny tamin'ny fifidianana Filoham-pirenena sy ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ivondronan'ny CENI, CNIDH, CSI, SAMIFIN, HCDED, CFM, ROHY, SAFIDY, Transparecy International Initiative Madagascar, ny Chaîne d'honnêteté.

 

Publié dans Vaovao

Nanomboka omaly 29 oktobra 2019 ny fitokonana faobe sy tsy voafetra ataon’ny SECES Sampana Antananarivo. « Noho ny tsy fandraisan'ny fitondram-panjakana ny andraikiny dia voatery hampiasa ny zony hitokona » hoy ny fanambarany.

"Sit in" eo amin’ny vavahady fidiran’ny fiara ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny fitetezana an'ireo efitrano fianarana mba hampahafantarana sy hanairana an'ireo mpampianatra namana ny amin'ny fitakiana, fanentanana, fizaram-baovao no hanohizan’ireo Mpampianatra-mpikaroka sy Mpikaroka-mpampianatra mivondrona ao amin’ny SECES Sampana Antananarivo ny hetsika ny Alakamisy 31 oktobra 2019.

 

Publié dans Tselatra

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra androany alarobia 30 oktobra ny didim-panjakana fanendrene an’i Jean-Louis Robinson ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny « République Populaire de Chine».

Jean-Louis Robinson no ambasadaoro fahadimy notendren’izao fitondrana Rajoelina izao, taorian’ny 18 septambra 2019, nanendrena an’i Camille Vital atsy Maorisy, Beriziky Jean Omer any Bruxelles (Belzika), Rajohnson Olivier Hugues Rija any Frantsa ary Yvette Sylla eo anivon’ny Unesco Parisy.

Dokotera i Jean-Louis Robinson ; efa filohan’ny Holafitry ny dokotera izy. Filohan’ny antoko AVANA (Vahoaka Aloha No Andrianina) i Jean Louis Robinson, mpikambana eo anivon’ny ARMADA, nanohana an’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2018. Ben’ny tanànan’Ampasikely, Kaominina ambanivohitra ao amin’ny Distrika Amparafaravola izy.

Kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013, nitarika tamin’ny isam-bato 21,2 % tamin’ny fihodinana voalohany narahin’i Hery Rajaonarimampianina izay nahazo 15,8 %.

Publié dans Politique

Namoaka fampilazana ny Jirama fa hisy fahatapahana ny famatsiana herinaratra eto amin’ny tanànan’Ambositra sy ny manodidina azy akaiky ny alakamisy 31 oktobra 2019 manomboka amin’ny 9 ora maraina.

Fahataran’ny famatsiana solika ao amin’ny toby famokarana ao Manolotrony, no voalaza antony.

 

Publié dans Tselatra

Foana nandritra ny filankevitry ny minisitra androany alarobia 30 oktobra 2019 ny didim-panjakana manendry ny Tale Jeneralin’ny « Office Malagasy des Hydrocarbures (OMH)». Ny talata 29 oktobra 2019 no nametra-pialana tsy ho Tale Jeneralin’ny OMH i Rajaonarivelo Laurent, rehefa teo amin’io toerana io nanomboka tamin’ny mey 2018.

 

Publié dans Tselatra

« Araky ny didim-panjakana noraisin’ny Filoham-pirenena avy amin’ny tolo-kevitry ny Praiminisitra dia nesorina tsy ho eo amin’ny toeran’ny Minisitra misahana ny angovo, ny rano ary ny akoran'afo intsony Atoa. Vonjy Andriamanga, ka ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, Ramarolahy Christian no misolo vonjy maika ny toerany ». io no tati-baovao nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra mikasika ny fanesorana an’ity minisitra ity.

Publié dans A la Une

Taorian'ny fandalovan'i Filoha Andry Rajoelina teto Amborovy, nanomboka ny asa fanorenana building, trano mora ary EPP manarapenitra, dia vao lasa ny filoha, dia lasa avokoa ireo mpiasa sy ny fitaovana rehetra tao.

Nanao fanambarana moa ny ministeran'ny asa vaventy fa mandeha ny asa, fa tsy arak'izany ny zava-misy ety an-toerana, tsy misy asa mandeha, lavaka foana no misy, atahorana indray aza ny ankizy mpianatra sao latsaka ao.

Voafahan-dalitr'ireo mpiara-miasa aminy, sy ireto mpanohana mpitaty rakena ve ny Filoham-pirenena?

(Sary nalaina ny 29 oktobra 2019)

 

Publié dans Tselatra

Ny talata 29 oktobra 2019, herinandro taorian'ny nisian'ny fikorontanana teo amin'ny famatsiana solika, ary iray andro taorian'ny sazy ara-bola nampiharin'ny Fanjakana amin'ireo mpandraharaha solika miisa telo, dia ny Logistique Pétrolière SA, Total ary Vivo (Shell), no mitranga ity fametraham-pialan'ny Tale jeneralin'ny Ofisy Malagasy momba ny Akoran'afo (OMH), Rajaonarivelo Laurent ity.

Nanomboka tamin'ny mey 2018 Rajaonarivelo Laurent no Tale jeneralin'ny OMH ; izy no Tale jeneraly faha-6 nitantana taorian'i René Bezandry (aprily 1999 – martsa 2002), Gabriel Ratsimihety (martsa 2002 – oktobra 2003), Jeanel Ramarofidy (oktobra 2003 – martsa 2004, Tale jeneraly mpisolotoerana), Manitrisa Ratsimiala Ramonta (martsa 2004 – jolay 2007) ary i Harivelo Andrianarahinjaka (Jolay 2007 – mey 2018).

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 30 octobre 2019 07:59

30 octobre: Journée mondiale de la Vie

30 octobre: Journée mondiale de la Vie.

 

Publié dans Fil info