Filtrer les éléments par date : lundi, 11 novembre 2019

Tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny orinasa Jirama miisa enina be izao no indray nesorina tamin’ny toerany, dia ny « Directeur d'exploitation des réseaux interconnectés », « Directeur technique eau Antananarivo », « Directeur production d'électricité », « Directeur principal région Antananarivo », « Directeur approvisionnement et logistique » ary ny « Directrice de la Communication ».

Notendrena hisolo toerana vonjimaika azy ireo, ka Raoeliharivony Haja no « Directeur d'exploitation des réseaux interconnectés (DERI) par intérim ». Rakotonandraina Solofonantenaina Roland no « Directeur technique de l'eau d'Antananarivo par intérim ». Raoilison Alfred no « Directeur de production électricité par intérim ». Andriamahefa Eric no « Directeur principal région d'Antananarivo par intérim ». Razanamparany Jouvelin no « Directeur approvisionnement et logistique par intérim », ary Randrianarison Tiana Fenosoa no « Directeur de communication par interim ».

 

Publié dans Tselatra

Teny amin’iny Boriborintany faha-2, faritra Ambohitsoa iny ny kandida Ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra, Rina Randriamasinoro, mitondra ny laharana faha 2 amin'ny bileta tokana, no nanohy ny fampielezan-keviny androany tapak’andro maraina nitety tanàna, nifanakalo hevitra nivantana tamin’ny mponina sy nijery ny zava-misy, indrindra ny foto-drafitrasa ilain'ny mponina.

Efa vonona ny vahaolana manoloana ny hetahetan’ny mponina, ary azo tanterahina tsara fa tsy nofinofy. Hiasa avy hatrany isika vao tonga ao amin’ny Lapan’ny tanàna, hoy ity kandida ity.

Nanotrona azy ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana sy ny solombavam-bahoaka Rakotonirina Stanislas na Rastany voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-2 sy ireo kandida amin’ny lisitra Mpanolontsaina an’ny Tiako i Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Teo aloha ny fampidirana mpianatra ho Administratera Sivily (AC) eny aminy ENAM dia efa fantatra mialohan’ny fanadinana fifaninanana ny isan’ireo izay ilain’ny ministeran’ny Ati-tany (AC Intérieur) sy ny ministeran’ny Asam-panjakana (AC FOP).

Tamin’ny andiany roa farany izay nivoaka teny amin’ny ENAM anefa dia tsy nampiharina intsony io fizarana mialoha io satria noheritreretina fa tokony ho iray ihany ny Administratera Sivily, toy ny any amin’ny antokon-draharaha (Corps) hafa. Rehefa vita ny fiofanana roa taona eny aminy ENAM vao miroso amin'ny fizarana ny ministera roa tonta.

Publié dans Editorial

La Directrice de la communication et des relations publiques de la société nationale d'eau et d'électricité (Jirama), Tsitohery Francesca Andriamampionona, annonce que désormais, elle n'assume plus ces fonctions.

Elle avait été nommée à ce poste en janvier 2018.

 

 

Publié dans Fil info

Olona roa, niaraka tamin’ny rongony 80 gony, no saron’ny Zandary tao Ranotsara Nord, Faritra Ihorombe ny 16 oktobra 2019. Nogiazana avy hatrany ireo rongony, niandry ny famotorana nialoha ny nanolorana ireo voampanga tamin’ny Fitsarana tao Ihosy ny19 oktobra 2019.

Nivoaka ny feo fa nisy nanodinkodina ireo rongony efa nogiazana. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Zandary avy ao amin’ny kaompania Ihosy, nidina tao Ranotsara Nord. Zandary dimy no voakasiky ny fanadihadiana. Nahitana rongony telo gony tao amin’ny efitra fitoeran’ny fitaovam-piadian’ny zandary tao an-toerana.

Publié dans Tselatra

Tontosa ny alahady 10 novambra 2019 ny sorona masina lehibe nitsofan-drano ny fahavitan’ny fanitarana ny Katedraly Maria Manjaka, Diosezy Morondava eto Namahora. Mahazaka mpiangona miisa 3 000 ity trano fiangonana ity taorian’ny asa fanitarana.

Nitarika ny fanompoam-pivavahana ny Kardinaly Mgr Tsarahazana Désiré, teo anatrehan'ny Solontenan’ny Papa Ray Masina, Mgr Paollo Rocco Gualtieri sy ireo Arseveka sy Eveka maro avy any amin'ny Faritra hafa eto Madagasikara.

Teo ihany koa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, sy ireo mpikambana tao amin'ny governemanta vitsivitsy, ary ireo mpiara-dia aminy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture
lundi, 11 novembre 2019 18:51

JIRAMA: Sarotra ny toe-draharaha

Miaiky ny mpitantana ny JIRAMA fa ny fahataran’ny solika mampiodina ny vondrona mpihary herinaratra no isan’ny mahatonga ny fahatapahan-jiro, manampy trotraka ny faharitran’ny rano ao Mandraka, izay mamatsy 24MW an’Antananarivo, sy ny fahanteran'ireo fotodrafitrasa ary ny fiakaran'ny isan'ny mponina.

Milaza ny hametraka « sous station » vaovao miisa 6 manampy ireo 6 efa misy ny mpitantana ny orinasa JIRAMA, tarihin’ny Filohan’ny Filankevim-pitantanana ny orinasa, Rasamoelina Soloniaina Andriamanampisoa, sy ny Tale jeneraly mpisolo toerana, ny dokotera Ravelojaona Albert, hamahana ny olana.

Publié dans Vaovao

Niparitaka tamin’ny tambazotra serasera sosialy facebook ny vaovao fa nesorina tsy ho Mpitsara i Fanirisoa Ernaivo, araka ny tapaka tamin’ny filankevitry ny fitsipi-pifehezana (CODIS: Conseil de Discipline) ny Filankevitry ambonin’ny mpitsara (CSM).

Publié dans A la Une

Nanao fanambarana i Evo Morales, omaly, fa hiala tsy ho filohan’i Bolivie. Mitranga izany ora vitsy taorian’ny fanambarana nataon’ny jeneraly Williams Kaliman, komandy ambonin’ny Tafika bolivianina, teo ihany koa ny hetsi-panoherana efa naharitra telo herinandro teo izay, taorian’ny nahavoafidy fanin’efatra ho filohan’i Bolivie.

60 taona izao Evo Morales, tamin’ny 22 janoary 2006 izy no teo amin’ny fitondrana tany amin’ity firenena iray any Amerika atsimo ity, ary izao nametra-pialana ny 10 novambra 2019, rehefa naharitra 13 taona sy 9 volana ary 19 andro teo amin’ny fitondrana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

11 novembre: Journée internationale des célibataires.

 

Publié dans Fil info