Filtrer les éléments par date : mercredi, 13 novembre 2019

Renim-pianakaviana iray tsy manan-kialofana no teraka amoron-dalana ny talata 12 novambra, tokony tamin’ny 1ora maraina, tao amin’ny Fokontany Bel Souvenir, Kaominina ambonivohitra Sambava.

Feon’olona toa mitaraina no nanaitra ny manodidina, ka rehefa nozahan’ny manodidina dia vehivavy hiteraka. Teraka soa amantsara izy, lahikely ny zaza.

Olona tsara sitrapo no nampiantrano ny reniny, tsy mbola misy mpiahy kosa ilay zaza menavava.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Hotanterahina ny tolakandron’ny sabotsy 16 novambra izao etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina manomboka amin’ny 4 ora, ny lalao hifandonan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Walya Etiopianina.

Miandrandra ny handefasan’ny Televiziona Malagasy (TVM) mivantana ny lalao ny mpitia kitra manerana ny Nosy.

Mikasika ity lalao ity, dia efa tapitra avokoa ny tapakila ho an’ny « tribune » afovoany sy ny andaniny roa. Ny andron’ny lalao, manomboka amin’ny enina ora maraina kosa ny fivarotana ny karatra ho an’ny eny amin’ny « gradin ».

 

Publié dans Sport

« Vitrine de Madagascar » na saha lehibe mitahiry zavamaniry sy biby maro karazana maneho ny haren’i Madagasikara ny valanjavaboary na Parc Botanique et Zoologique - Tsimbazaza.

61 ny karazam-biby misy ao, ka vorona ny 18 karazana, biby mandady ny 18, ragidro ny 17 ary 8 karazam-biby mampinono. Misy 79 karazana kosa ny zavamaniry.

 

 

Publié dans Art et Culture

Vao maraina dia efa vory maro ny mponina ety Anosivita, Kaominina Fiombonana sy ny manodidina hihaona amin'ny iraka avy amin'ny ministeran'ny Fanajariana ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy, miaraka amin'ny teknisianina ny fananantany hanao tombana ny tany sy fitaovana hanaovana ny tetikasa Tana Masoandro.

Tazana ety an-toerana ireo sorabaventy tsy manaiky ny hakana ny tanin'izy ireo.

Nody very maina anefa fa tsy tonga ireo nandrasana, na fialan-tsiny tsy nisy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nankatoavina ny talata 12 novambra 2019 tao amin’ny Lapan’Anosikely, nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehina, ny tatitra ara- bolan’ny Antenimierandoholona taona 2018, izay natolotry ny Kestora voalohan’ny Antenimierandoholona, Abdirassoul Mourad. Fampahafantarana ny fitantanana ny tetibolan’ny Antenimierandoholona teo anoloan’ireo Loholon’i Madagasikara sy ny mpiaramiasa rehetra.

Araka ny andininy faha 19, an-dalana faha efatra, amin’ny fitsipika anaty mifehy ity Andrimpanjakana ity, dia isaky ny fiandohan’ny fivoriana ara-potoana voalohany, dia tokony hanolotra ny tatitra ara-bola ny taona efa lasa ny Kestora Voalohany, manoloana ny asam-baomiera, ary hakana fankatoavana na tsia eo anatrehan’ny Loholona rehetra amin’ny alalan’ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina.

Publié dans Politique

Nitohy tao amin’ny Boriborintany faha-3 ny fihaonana mivantana nataon’ny kandida Ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra, mitondra ny laharana faha 2 amin'ny bileta tokana, Rina Randriamasinoro tamin’ny vahoaka omaly talata 12 novambra, andro faha-8 amin’ny fampielezankevitra amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna.

Ambiansy tamin’ireo toerana rehetra notsidihiny. Nampiato kely ny asany ny sasany, nifampitafana mivantana tamin’i Rina, ny hafa tsy nanaiky raha tsy niara-naka sary. Efa hainao ny zava-misy ety, fa dia ny fanombohan’ny asa sisa andrasana aminao rehefa tonga ao amin’ny Lapan’ny tanàna, hoy ny maro.

Publié dans Politique

Niakatra fampanoavana tao Mananjary ny atontan-taratasin’ady mahakasika an’i Samizafy Jean Laurent, Ben’ny tanàna teo aloha tao amin’ny Kaominina Marosangy, Distrikan’i Mananjara, ary kandida IRK amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna hatao amin’ny 27 novambra 2019 izao.

Voarohirohy amina fanodinkodinana volam-bahoaka izy, sy ny Sekretera mpitam-bolan’ny Kaominina. Nivoaka ny didy savaranonando, samy voatazona am-ponja vonjimaika nanomboka omaly izy ireo.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 13 novembre 2019 11:27

13 novembre: Journée internationale des GIS

13 novembre: Journée internationale des GIS (systèmes d'information géographiques).

 

Publié dans Fil info
mercredi, 13 novembre 2019 11:26

13 novembre: Journée mondiale de la vasectomie

La vasectomie est une méthode de stérilisation masculine. C’est une opération mineure qui consiste à couper et bloquer les canaux déférents qui transportent les spermatozoïdes à partir des testicules.

 

 

Publié dans Fil info
Page 2 sur 2