Filtrer les éléments par date : samedi, 16 novembre 2019

Notanterahina tao Louvain-la-Neuve, Belzika, ny 9, 10 ary 11 novambra 2019 teo ny andiany faharoa amin’ny Bee Attitude izay fifaninana hatsaran’ny tantely nokarakarain’ny CARI.

Nandray anjara tamin’izany ny tantely azo avy amin’ny kininina, vokarin’ny orinasa Ilanga Nature, ary nandrombaka medaly volafotsy nandritra ity fifaninanana ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Nihaona tamin’ireo tompon’andraikitry ny fandriampahalemana manerana ny Nosy (OMC national), ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny zoma 15 novambra, teny amin’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny Anosy. Fivoriana izay nijerena manokana ny fiomanana amin’ny fanatontosana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpikambana eo anivon’ny filankevitra kaominaly na monisipaly, izay hotanterahina amin’ny 27 novambra 2019 ho avy izao.

Nandray anjara tamin’ity fihaonana ity ny minisitry Ati-tany Razafimahefa Tianarivelo, ity farany izay tratry ny tsy fahasalamana tampoka, naratra vokatry ny fianjerana avy eny amin’ny « tribune » raha nijery baolina tao amin’ny kianja monisipalin’Ambatolampy-Vakinankaratra ny alahady 3 novambra 2019. Nalefa avy hatrany notsaboina tatsy amin’ny nosy La Réunion izy ny harivan’io andro nahavoa azy io, avy eo nanohy ny fitsaboana tao amin’ny Polyclinique Ilafy-Antananarivo.

Publié dans Politique

Hasiana fanitarana ny toby famokarana rano eny Mandroseza ho famahana ny olan'ny rano fisotro madio eto Antananarivo. Sahabo ho 40 000 metatra toratelo ny fanitarana hatao. Hatomboka amin'ny herinandro ny asa atao amin'izany ary vinavinaina ho vita ao anatin'ny efa-bolana.

 

Publié dans Sociale
samedi, 16 novembre 2019 15:06

Barea: Andeha mivantana TVM manerana ny nosy

Hita tao amin'ny Pejy facebook n'ny Filoham-pirenena

MISY VAHAOLANA NY OLANA REHETRA. ALEFA MIVANTANA TVM NY LALAO ETO MAHAMASINA
Fantatro ny fitiavan'ny Malagasy ny Barea. Tsapako sy reko ny hetahetan’ny mpankafy baolina kitra Malagasy manerana an'i Madagasikara te hanaraka mivantana ny lalao atao eto amin'ny kianjaben'i Mahamasina iadian'ny Barea sy ny Etopia ny fifanintsanana CAN 2021.

Androany tontolo andro dia nitady vahaolana ny tenako sy ny minisitra tomponandraikitra, koa ampifaliana no ilazako etoana amintsika fa hoampitaina mivantana manerana ny Nosy amin'ny alàlan'ny TVM- haino amanjerim-panjakana ny lalao anio eto Mahamasina.
ALEFA BAREA

Ny Filoha Andry Rajoelina

Publié dans Sport

Natolotra an’i Abel Anicet, Njiva ary Metanire tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny zoma 15 novambra ny mari-boninahi-pirenena «Chevalier de l’Ordre National Malagasy» ho fankasitrahana ny zava-bitan’izy ireo, isan’ny nandrafitra ny ekipam-pirenena niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra taona 2019 natao tany Egypta. Ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina no nanolotra azy ireo izany.

Tsy tafaraka tamin’ireo namany sy ny mpanazatra ny Barea an’i Madagasikara, izay efa nandray ny mari-bonahitra tamin’ny 15 jolay 2019 izy telo lahy ireo, satria voatery namonjy ny klioba ilalaovany avy any ampitan-dranomasina vantany vao nifarana ny dian’ny Barea tany Egypta.

Nitso-drano ny ekipam-pirenena ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny lalao hatrehin’ny Barea etsy Mahamasina ny sabotsy 16 novambra, hifandona amin’i Ethiopia.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Nandray anjara tamin’ilay fivoriana andiany faharoa momba ny fandriampahalemana (Forum de Paris sur la Paix), izay natao tao Grande Halle de la Villette ny 11 hatramin’ny 13 novambra lasa teo, ny Praiministra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian.

Seha-pifanakalozana iraisan’ireo firenena manerantany ahafahana mifanakalo ity fivoriam-be ity, ary ikatsahana vahaolana mora ampiasaina sy azo tsapain-tanana, manoloana ny fanamby hamerenana ny fitoniana ankehitriny ; ary izany dia amin’ny alalana fomba fitantanana mifandraika amina fifandraisana maro lafy.

Publié dans Vaovao

Nanokatra fanadihadiana ny Bianco Mahajanga rehefa naharay fitorohana mikasika fisolokiana sy tsindry nataona zandary iray miasa ao Maintirano. Natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Maintirano ny raharaha ny 14 novambra 2019 teo. Notanana am-ponja vonjimaika ilay zandary taorian’izay. Amin’ny 25 novambra 2019 ny Fitsarana azy.

Miisa 71 izao ireo zandary voatazona am-ponja hatramin’ny fiandohan’ny volana febroary 2019 noho ny fandikan-dalàna sy fandikana fitsipi-pifehezana, izay nanomezan'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jeneraly Richard Ravalomanana alalana hatrany, hampanenjehana ireo izay mihoam-pefy.

 

Publié dans Tselatra

Mahajanga: Le préfet a réquisitionné du carburant auprès des pétroliers.

 

Publié dans Fil info

Nazahoan'ny Tiako I Madagasikara (TIM) porofo ny endrika fanodinkodinana safidim-bahoaka kasain’ny sasany hatao indray amin'ny fifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolotsaina hotanterahina amin’ny 27 novambra 2019.

Misy ny fanabontsinana lisi-pifidianana, hoy ireo solombavam-bahoaka Tiako i Madagasikara miisa enina mianadahy voafidy teto Antananarivo Renivohitra nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’izy ireo tao amin’ny hotely Colbert Antaninarenina, omaly.

Tao amina Biraom-pifidianana iray dia 520 ny isan'ny mpifidy ao aminy taorian'ny fikatonan'ny lisi-pifidianana tamin’ny volana mey 2019. Rehefa nanao "fanamarinana" farany ny Tiako i Madagasikara dia hita fa nitombo ho 675 ny isan'ny mpifidy nefa tsy nisy intsony fanokafana ny lisi-pifidianana.

Publié dans Politique

Nanentana ny Malagasy, indrindra ny mpitia baolina kitra i Andriatsima Faneva Ima. Ao amin’ny pejiny facebook no nanaingany ny rehetra « Hiara-hirona eto Mahamasina anio ho an’ity Tanindrazana mamintsika ity ». « Manainga antsika rehetra hitrotro am-bavaka ny mpilalao, hiara-hanohana, ho iray fo sy fanahy », fa « Ny firaisankinantsika rehetra no amboara lehibe ho an’i Madagasikara » ka « Andao atambatra ny hery ho an’i Madagasikara sy Barea », hoy i Faneva Ima, izay manamafy fa « Barea Mandrakizay ! ».

Ity lalao anio hifandonan’i Madagasikara sy Etiopia ity, izay hiadiana tapakila hiatrehana ny CAN 2021 no lalao farany hataon’i Faneva Ima ao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra na Barea, ka hanaovany veloma ny mpakafy baolina kitra Malagasy sy ho fisaorany ireo rehetra namolavola azy ho tonga mpilalao baolina kitra sy ireo mpiara-milalao taminy.

Publié dans Sport
Page 1 sur 2