Filtrer les éléments par date : lundi, 18 novembre 2019

Nanapa-kevitra ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra mambra ny SECES sampana Antsiranana, nandritra ny fivoriambe nataon’izy ireo ny 15 novambra 2019, fa hampiato ny asa pedagojika rehetra manomboka ny alatsinainy 18 novambra 2019.

Ny tsy fisian’ny vahaolana manoloana ny fitakiana ireo ora fanampiny sy fitakiana ataon’ireo namany ao amin’ny SECES Antananarivo no voalaza fa antony.

 

 

Publié dans Tselatra

Hanomboka anio eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra ny asan’ny vaomiera iombonan’i Madagasikara sy Frantsa hamolavola ny drafitra hamerenana ireo Nosy Malagasy amin’i Madagasikara, ho fampiharana ny fanapahana noraisina teo anivon’ny Firenena Mikambana tamin’ny 1979.

Maniry ny handefasana mivantana amin’ny TVM ny dinika eny Andafiavaratra ny Malagasy maro, hisian’ny mangarahara.

Manentana ny Malagasy, indrindra ireo monina manodidina ny toerana hisian’ny fivoriana, ny ministeran’ny fiarovam-pirenena mba hanangana Sainam-pirenena malagasy.

 

 

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 2