Filtrer les éléments par date : mercredi, 20 novembre 2019

Tranga hafahafa no niseho tao amin’ny Fokontany Fitomilasy-Bevokatra, Kaominina ambonivohitra Antsirabe ny harivan’ny alatsinainy 18 novambra tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany. Zazavavikely sahabo ho herintaona sy tapany eo, nilanja 9kg raha ny nambaran’ny dokotera no nisy nahita tao anaty lava-drano eo an-tokontanin’olona iray.

Raha ny fanazavana netin-dRtoa Olga, komitim-pokontany tao an-toerana, izay nitondra ilay zaza teny amin’ny hopitaly dia tranona mpiasan’ny fandraharana ny fonja no nahitana ilay lava-drano mirefy 15 metatra eo ho eo ny halaliny. Tsy mipetraka ao ireo mpiambina fa miasa any an-tsaha amin’ny atoandro, ka rehefa nody izy ireo dia gaga nandre feon-jaza mitomany tao andava-drano izay efa ritra.

Publié dans Vaovao

La rencontre du 18 novembre de la commission mixte franco-malagasy concernant les îles malagasy ou îles éparses de l’Océan Indien a accouché d’une souris, en effet rien n’a été décidé sauf une prochaine réunion cette fois à…Paris mais à quand ? Personne ne sait !

Un communiqué conjoint laconique laisse entrevoir que chaque partie a campé sur ses positions au paragraphe 6.

Pour Madagascar, le différend porte sur le processus de décolonisation inachevée du pays, conformément au droit international. A cet effet, la restitution de la souveraineté de Madagascar sur ces îles reste une question fondamentale dans la négociation et constitue une question devant être abordée préalablement à l’examen et à l’adoption d’une solution commune de développement.

Pour la partie française, il existe « les éléments fondant les bases juridiques et la licéité de la souveraineté française sur ces îles, conformément au droit international », en d‘autres termes, ces îles appartiennent bel et bien à la France.

Publié dans Editorial
mercredi, 20 novembre 2019 08:14

67 HA: Tovovavy 05 tratra nanendaka

Mbola tsy ampy taona ny efa-bavy, ary 22 taona ny zokiny indrindra amin’ireto mpanendaka ireto. Zaza roa, 6 taona sy 8 taona, niaraka tamin’ny Renibeny avy namonjy fiangonana ny Alahady teo no nendahin’izy ireo raha niditra elakelan-trano teny amin’ny faritry ny CEG 67ha iny. Lasan’izy ireo ny kitapon’ireo zaza.

Nikiakiaka mafy anefa ireto zaza ireto, ary nisy ny olona manodidina no naheno izany ka nivoaka avy hatrany. Vao nahita ireo olona nivoaka ireto ankizivavy dia nirifatra nandositra avy hatrany, saingy voasambotry ny Fokonolona ny iray, ary natolotr’izy ireo ny Polisin’ny boriborintany fahafito etsy 67ha. Nanao ny fanadihadiana ny Polisy ka ny ampitson’io Alahady io dia voasambotra tany an-tranony tsirairay avy ireto ankizy vavy ireto.

Efa tsy misy mianatra avokoa izy dimy vavy. Misy efa manan-janaka ary tsy misy miasa avokoa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nanao ny fianianany ny talata 19 novambra, teo anatrehan’ny Masoivoho Amerikana Michael Pelletier, ny mpilatsaka an-tsitrapo Peace Corps vaovao miisa 40. Notanterahana teny amin’ny tranon’ny Masoivoho Amerikana teny Ambaranjana ny lanonana momba izany ny tolakandro.

Hiasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana ny teny anglisy ireto mpilatsaka an-tsitrapo ireto.

Naharitra 11 herinandro ny fihofanana izay nianaran’izy ireo ny kolontsaina sy ny teny ary ny teknika ilainy mandritra ny asa hataony eny anivon’ireo fiarahamonina samihafa manerana an’i Madagasikara, izay hampiantrano azy ireo mandritra ny 2 taona manaraka.

Hanatevin-daharana ireo mpilatsaka an-tsitrapo hafa miisa 115 efa amperin’asa eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny tontolo ambanivohitra ary ny fahasalamana, izay mipariaka manerana an’i Madagasikara ireto mpilatsaka an-tsitrapo Peace Corps ka nanao fianianana ireto.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale