Filtrer les éléments par date : mercredi, 27 novembre 2019

Nosakanana tsy handatsa-bato teto Ambohimanaiky i Rakotomaharavo Lucien, Ben’ny tanàna amin’ny anaran’ny antoko Tia Tanindrazana ato amin’ny Kaominina ambanivohitra Mahazoarivo, Distrikan’i Fandriana, Faritra Amoron’i Mania.

Ny lehiben’ny Fokontany, sady filohan’ny birao fandatsaham-bato no mbola mpanohana kandida Ben’ny tanàna no nibahana ny tsy hanatontosan’ity kandida Ben’ny tanàna Rakotomaharavo Lucien ity ny latsa-bato androany, teo anatrehan’ny lefitra faharoan’ny lehiben’ny Distrikan’i Fandriana.

Fokontany iray ato anatin’ny Kaominina Mahazoarivo i Ambohimanaiky. Ny lalàna mifehy ny fifidianana dia mamela ny kandida handatsa-bato amin’ny birao fandatsaham-bato ao anatin’ny fari-pifidianana irotsahany hofidiana ; tsy nohajaina anefa izany.

Milaza ny tsy hipetra-potsiny amin’izao ny kandida, fa hitondra ny raharaha amin’ny ambaratongam-pahefana misahana ny fifidianana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
mercredi, 27 novembre 2019 19:42

Qu’est-ce que c’est la souveraineté ?

Devant le débat presqu’à « huit clos » concernant les Îles Malagasy ou Îles Eparses au sein de la Commission mixte franco-malagasy, on se demande le pourquoi du si peu de réaction et d‘intérêt de la majorité de nos compatriotes : saisissons-nous vraiment le sens du terme souveraineté ?

La souveraineté dérive de « souverain », du latin médiéval superus, de super, « dessus », fin du 12ème siècle, et désigne la supériorité du pouvoir sur une zone géographique ou sur un groupe de peuples vivant en communauté. Donc elle n'est en principe qu'étatique. Mais existe encore la confusion de la souveraineté de droit divin et de la souveraineté royale. Dans un régime monarchique, la souveraineté appartient au Roi et le peuple conserve un pouvoir d'expression.

La plupart des régimes monarchiques sont en réalité de droit divin et les papes sont également des monarques. On oppose plutôt pouvoir spirituel (direction des croyants) et pouvoir temporel (séculaire). Le pape possédait les 2 pouvoirs, le premier sur l'Église (communauté des croyants) tandis que le second se limitait à ses terres (Vatican).

Publié dans Editorial

Tsy lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin’ny volana mey 2019 no tao amin’ny EPP Andrefan’Ambohijanahary, Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra.

Olona nandatsa-bato tao amin’ny BV n°1 tamin’ny volana mey, nafindra any amin’ny BV n°4, ary niova sady diso ny anarany. « Rakotovazaha » nanjary « Rakotocazaha », nefa ny laharana kara-panondro sy ny kara-pifidianana tsy niova, izany hoe namerina nanao "saisie" indray izany, nefa ny lisitra efa nakatona tsy kasikasihina intsony.

Novaina ny lisi-pifidianana satria nisy olona tonga nifidy tamin’ny volana mey, nefa nanjavona tsotra izao tao anaty lisi-pifidianana raha tonga hifidy androany maraina. Tsy tranga iray na roa fa maromaro no sendra io tranga io.

 

Publié dans Tselatra

Notanterahina manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara androany alarobia 27 novambra 2019 ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolotsain’ny tanàna amin’ireo Kaominina miisa 1695 eto Madagasikara.

Nisokatra tamin’ny 6ora maraina ny Biraom-pifidianana, ary nikatona tamin’ny 5ora hariva.

Efa manomboka manisa vato ankehitriny ireo biraom-pifidianana, raha hita fa tsy navitrika nandeha nifidy ireo mpifidy.

 

Publié dans Tselatra