Filtrer les éléments par date : vendredi, 08 novembre 2019

Nanataneraka atrik’asa teny amin’ny Ibis Ankorondrano ireo mpiantsehatra eo anivon’ny harena an-kibon’ny tany.

Nisy araka izany ny fizarana sy fifanakalozan-kevitra izay handinihina ny hoe inona sy inona avy ny mety ho anteraky ny kolikoly eo amin’ny fanomezana alalana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara, mba hampafantarana ny tsirairay ireo vokatry ny fanadiadiana izay nataon’ny transparency internationale ao anatin’ilay programa Mining for Sustainable Development.

 

Publié dans Economie

Raha tsy mbola manangasanga eny amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana taona 2020, dia hiroso handinika ny momba ireo solombavam-bahoaka roalahy samy mbola voatana am-ponja, dia Raveloson Ludovic Adrien voafidy tao Mahabo, sy Rasolomampionona Hasimpirenena voafidy tao Fandriana ireo solombavambahoaka manomboka androany.

Voatana am-ponja ao Morondava Menabe nanomboka ny volana aprily 2019 i Raveloson Ludovic Adrien, voarohirohy amina raharaha samihafa toy ny vono olona, ao Antanimora Antananarivo nanomboka tamin’ny volana aprily 2019 ihany koa i Rasolomampionona Hasimpirenena, voarohirohy tamin’ny fivarotana ny tany misy ny « Villa Elisabeth » nonenan’ny Pr Zafy Albert, filoham-pirenena teo aloha.

Samy lany Solombavam-bahoaka tsy nanao fampielezan-kevitra fa samy tany am-ponja avokoa izy roalahy ireo.

 

Publié dans Politique

8 novembre: Journée internationale de la radiologie.

 

Publié dans Fil info
Page 2 sur 2