Filtrer les éléments par date : mardi, 10 décembre 2019

Nihaona fanindroany indray tany Paris ireo filoham-pirenena malagasy teo aloha Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina.

Publié dans A la Une

Taorian’ny nandalovan’ny rivodoza Belna tamin’ny faritra andrefan’ny nosy dia nitarika delegasiona avy amin’ny governemanta, nidina tany Mahajanga I sy Soalala, izay niharan’ny loza, ny Praiminisitra Ntsay Christian, nijery ny fahavoazana sy nitondra fanampiana ho an’ireo traboina.

Hita tany an-toerana fa tao Mahajanga I dia olona 172 avy amina tokantrano 59 no tsy maintsy nafindra toerana. Maro ny zavatra simba tao amin’ny Distrikan’i Soalala, toy ny firodanan’ny fefiloha miaro ny tanàna, ny fiendahana tafon-trano, ny fahatapahan-jiro, ny vovo dibo-drano, ny tsy fisiana rano fisotro madio, ny mety ho fahasimban’ireo fanafody fiandry ao amin’ny CSB any an-toerana, ny faharendrehana botry iray. Izany rehetra izany dia niteraka fahavoazana ho an’olona miisa 1300.

Publié dans Sociale

Nandresy an’ny nosy Maorisy tamin’ny isa 2 noho 1 i Madagasikara androany. Efa nitarika tamin’ny isa 2 noho 0 isika teo ampialan-tsasatra. Fandresena roa sy ady sahala iray no azon’i Madagasikara tamin’ireo lalao telo nataony, vokatra izay mitondra azy ho amin’ny dingan’ny manasa-dalana.

Hihaona amin’i Afrika Atsimo i Madagasikara amin’ny lalao manasa-dalana voalohany, ary i Zambia mpampiantrano sy Angola ny lalao manasa-dalana faharoa, izay samy hotanterahina amin’ny 12 desambra izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Fanambarana iombonana teo amin'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina

Publié dans Politique

Ho fantatra amin’ny 17 desambra 2019 ny hoavin’ireo olona miisa 11 mianadahy nosamborina rehefa noahiahiana fa tao ambadiky ny fivoahan’ny laza adina bakalôrea 2019 nialoha ny fotoana.

Tamin’ny fiandohan’ny volana septambra 2019 izy ireo, efa-bavy sy fito lahy, no notanana am-ponja vonjimaika teny Antanimora, ary androany no niakatra fitsarana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, Antananarivo.

Nanome toromarika ny hanafainganana ny fitsarana ireo olona voatazona am-ponja vonjimaika ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, tamin’ny fitsidihana nataony nijereny ny zava-misy tao amin’ny fonjan’Antanimora ny 31 oktobra 2019.

Ity fanapahan-kevitra androany ity aloha tsy nahitana taratra izay, mahaleotena amin’ny fanapahan-keviny rahateo ny mpitsara ; ny fitsarana anefa handeha hialasasatra aorian’io fotoana io, ary afaka iray volana any amin’ny tapaky ny volana janoary 2020 any indray vao hiverina hiasa.

 

Publié dans Tselatra

“Isika rehetra miady amin’ny herisetra, indrindra ny fanolanana”, izany no lohahevitra nobanjinina ny 6 desambra 2019 tetsy amin’ny Carlton Anosy, tao anatin’ny valan-dresaka arahina ady hevitra izay notronon’ireo mpiasa avy amin’ny ministeran’ny mponina sy ireo olo-tsotra.

Hita tokoa amin’ny fiainana andavanandro ireo endrika isehoan’ny herisetra sy ny fanolanana, raha araka ny tahan’isa misy eo amin'ny fanadiadiana natao tamin’ny 2018, izay milaza fa 32 isanjaton’ny vehivavy nohadiadiana dia niharan’ny herisetra tao anatin’ny 12 volana, ary 14 isanjaton’izy ireo no efa tratran’ny fanararaotana ara-nofo.

Raha ny eto Antananarivo manokana no jerena dia efa tafiakatra 18 isan-jato izany fanararaotana ara-nofo izany.

Publié dans Sociale

Mijoro izy ireo ankehitriny miaro ity orin’asa ity satria dia ho averina ho potehina indray ve ny MAMA hoy izy ireo? Misy ireo mitonona ho tompon’ny MAMA sy manalabaraka azy isan’andro.

Tonga ny fotoana ankehitriny hoy izy ireo hilazana ny zavatra marina, dia tsy iza izy ireo fa ny zanaka lahy ny PCA teo aloha tao amin’ny MAMA, izay anisan’ny namotika sy nampibaby trosa amina miliara ariary ka nesorin'ny fanjakana tamin’izany fotoana izany, noho ny fitantanana tsy mahomby.

Ao ihany koa ny anabavin’ny mpitondra ny MAMA teo aloha.

Publié dans Sociale

Miteraka resabe sy safotofoto eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony ny tenimita laharana faha-116/MESupReS/SG/19 navoakan’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa manafoana ny seho karoka na « mémoire » sy « mini-mémoire », izay mitarika fanafoanana ny fizaran’asa ihany koa, manomboka izao, fa ny fanadinana farany ihany no hifindrana amin’ny oniversite ho an'ny diplaoma DTS (Diplôme de technicien supérieur) sy « Licence ».

Publié dans Vaovao

Hotataovan-ketra 20% ny akora fanaovana savony, raha ny voarakitra amin’ny volavolan-dalàna hifehy ny fitantanam-bolam-panjakana taona 2020 dinihina eny anivon’ny Parlemanta, dia ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona.

Nitsangam-bolo ireo vehivavy mivelona amin’ny sasa lamba vao nandre izany fa hitombo izany ny vidin-tsavony ary dia hihena ny vola miditra amin’izy ireo. Ketraka torak’izany ihany koa ireo lehilahy mivelona amin’ny fanasana fiaran’olona.

Publié dans Economie

Voasambotra omaly rehefa nifanenjehana avy ao amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza i Manantena Hajanirina Dinah na Haja izay efa nokarohin’ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny volana martsa 2019.

Publié dans A la Une
Page 1 sur 2