Filtrer les éléments par date : jeudi, 12 décembre 2019

Resy teo amin’ny fandakana « Tirs au but » i Madagasikara nanoloana an’i Afrika Atsimo, rehefa nirava ady sahala 2 noho 2 taorian’ny fe-potoana ara-dalàna. Efa nitarika 2 noho 0 i Madagasikara teo amin'ny fizaram-potoana voalohany. Teo amin'ny minitra fanampiny (90+2) ny Afrikana Tatsimo no nahasahala ny isa.

Tafiditra avokoa ny baolina dimy nodakan’ny Bafana Bafana Afrikanina tatsimo nandritra ny « Tirs au but » raha toa ka efatra no matin’ny Barea an’i Madagasikara.

Nomontsanin’i Zambia, mpampiantrano, tamin’ny isa 3 noho 0 kosa i Angola teo amin’ny lalao manasa-dalana faharoa androany.

Hihaona amin’ny famaranana an’ity COSAFA U20 ity i Zambia sy Afrika Atsimo. Hiady laharana fahatelo kosa i Madagasikara sy Angola, lalao izay hatao amin’ny sabotsy 14 desambra 2019 izao ao amin’ny kianja Nkoloma Stadium ao Lusaka.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Tanterahina ao amin'ny kianja mitafo Toliara mandritra ny roa andro, nanomboka androany, ny atrik'asa mikasika ny ady amin'ny fitsaram-bahoaka.

Natao indrindra hitadiavam-bahaolana amin'ny fitsaram-bahoaka ity atrik'asa ity, izay tohanan’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana na PNUD. Manodidina ny 140 ireo mpandray anjara avy amin'ny ankolafy maro samihafa.

 

Publié dans Tselatra

Mihenjan-droa ny tady eo amin-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana ara-tSiansa, Pr Blanche Nirina Richard sy ny Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra.

Nitondra fanazavana mikasika ireo olana miseho eny anivon’ny Oniversite Ramatoa minisitra, nandrindra ny filankevitry ny minisitra omaly, izay nanazavany fa « mahatratra 300 lavitrisa Ariary ny « heures complémentaires » takian’ireo mpampianatra mpikaroka ». « Mihoampampana » hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra.

Publié dans Sociale

Nanao fanambarana ny SECES Sampana Antananarivo, taorian’ny fivoriambe nataony androany, fa hanao « herinandro maty » ny 16-23 Desambra 2019 ho avy izao manerana ny Oniversiten’Antananarivo sy ireo Foibem-pikarohana Nasionaly miorina eto Andrenivohitra.

 

Publié dans Tselatra

72 ora taorian’ny fanambarana an-tsoratra nataon’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, sady mpitondra tenin’ny governemanta, Lalatiana Andriatongarivo Rakotondrazafy, ny 8 desambra 2019, nilaza fa « tsy azo ekena ny fampiasana fiaram-panjakana amin’ny antony manokana tahaka ny mariazy na raharaham-pianakaviana hafa », dia ny tao amin’ny Tahirimbolam-panjakana no « nandraisana fepetra ».

Fiaran’ny Tahirimbolam-panjakana ilay fiara Audi A6 nitondrana mpanao mariazy ny sabotsy 7 desambra 2019 ary « hita niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera » ny sariny. Tsy niandry ela fa nesorina tamin’ny toerany avy hatrany ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana, Andriamanga Herivelo vokatr’io. Nanampy trotraka ihany koa ny fahaverezam-bola hatrany amin’ny 800 tapitrisa Ariary tao amin’ny « Paierie générale » Antaninarenina.

Publié dans Vaovao

Le Thakin, ou Dobama Asiayone ("Association de Nous les Birmans"), est une organisation nationaliste birmane fondée à Rangoon en 1930, après une émeute durant laquelle des dockers indiens et leurs familles eurent été tués par des dockers birmans qui les accusaient de prendre leur emploi.

Ses membres se désignaient par le préfixe Thakin ("maître"), indiquant qu'ils se considéraient comme les vrais maîtres de leur pays.

Nationaliste par nature, défendant la suprématie birmane, l'organisation avait pour slogan : « La Birmanie est notre pays ; la littérature birmane est notre littérature ; le Birman est notre langue. Aimons notre pays, améliorons notre littérature, respectons notre langue ».

Dobama Asiayone prônait l'assimilation des minorités ethniques au sein de la culture birmane, et la plupart de ses activités prirent naissance à l'Université de Rangoon.

Au début de la 2nde Guerre mondiale, le Thakin devint pro-japonais, par opposition au colonisateur britannique.

Publié dans Editorial

Notanterahina androany tetsy amin'ny Toby Ratsimandrava ny lanonana fanaovam-beloma ho an'ireo jeneraly misotro ronono miisa 7 tamin'ity taona 2019 ity, izay ny roa tamin'izy ireo dia efa nibaiko ny Zandarimariam-pirenena.

Efa fanao eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena moa izao lanonana fanaovam-beloma izao.

 

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 12 décembre 2019 09:36

Kolotsaina sy hira: Feno 37 taona i Wawa

Katroka androany 12 desambra ny mahafeno 37 taona an'i Andrihamahazo Joel Issoubaly, fantatra amin'ny anarana mpanakanto hoe Wawa izay antsoin'ny maro hoe "Le prince du Salegy".

Teraka tao Nosy-be izy, zanaka mpandrafitra. Vao 11 taona izy no nanomboka niaraka tamin'ny tarika tao anaty fianakaviana "Star boys", mpitendry batterie izy tamin'izany.

Feno 16 taona izy, dia lasa batteur tao amin'ny groupe Jaguar II, hatramin'ny taona 2003.

Teo anelanelan'izay anefa izy, ny taona 2001, dia namoaka album "Eh Makoalahy". Ny faraparan'ny taona 2003 izy nanaomboka ny album "Sômasômahely", ary dia niakatra niazakazaka ny lazan'i Wawa.

Ankehitriny dia efa any Europe i Wawa mitety ireo faritra betsaka Malagasy, toy ny any Belgique, ary ao France no hanao ny alim-pandihizana ny noely sy ny famaranana ny taona 2019.

 

Publié dans Art et Culture

Voatendry ho eo amin’ny laharan’ny Général de Corps d’Armée :
• Le Général de Division Rakotonirina Léon Jean Richard
• Le Général de Division Ravalomanana Richard

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 12 décembre 2019 09:19

SAÏD Ahmad Jaffar

Voatendry ho Tale Jeneralin’ny « Institut National de la Décentralisation et du Développement Local » (INDDL).

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2