Filtrer les éléments par date : mercredi, 18 décembre 2019
mercredi, 18 décembre 2019 19:53

RN5A Ambilobe-Vohémar

RN5A Ambilobe-Vohémar

An-tsary

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Voasambotra ny alatsinainy 16 desambra teo ireto dahalo efa-dahy izay nanao fanafihana tao amin'ny Fokontany Andakoro, Kaominina Marojala, Distrikan’i Sambava, ka nahafatesana olona roa tsy manantsiny. Nisy olona roa hafa ihany koa naratra vokatr’izay fanafihana izay.

Nambaran'ny komandin’ny kaompanian’ny Zandarimarian’i Sambava, kapiteny Mahavorisoa Emilien, fa « atolotra ny Fitsarana ireto, ary mbola mitohy ny fikarohana ireo namany »

55 taona no zokiny indrindra amin'ireto olon-dratsy ireto.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao
mercredi, 18 décembre 2019 19:31

Antsiranana: Ilaharana ny solika

Vao maraina dia efa filaharana no hita teny amin’ireo toby mpaninjara solika eto Antsiranana androany. Fahataran’ny sambo mpitondra solika no voalaza fa antony.

Miisa fito ny toby mpaninjara eto Antsiranana, ka samy manana roa avy ny Galana sy Total ary Jovena, iray an’ny kaompania Shell.

 

Publié dans Tselatra

Hentitra ny fanadiovana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Tamin’ity taona ity dia Zandary miisa efatra niasa tao amin’ny Vondro-tobi-pileovana Zandarimaria Atsinanana no naiditra am-ponja noho ny tsy fanajana ny fitsipika anatiny ; nisy zandary iray nahazo famindran-toerana araka ny fitsipi-pifehezana; Zandary 45 voasazy noho ny tsy fanarahana fitsipi-pifehezana.

Nisy kosa anefa ny fankasitrahana Zandary miisa 20 noho ny asa amam-pahamendrehana vitany sy ny vokatra tsara azony.

 

Publié dans Vaovao

Nivoitra io nandritra ny tomban’ny asa vita tamin'ity taona 2019 ity nataon’ny kolonely Théodule komandin'ny Vondro-tobi-pileovana Zandarimaria Atsinanana raha nitafa tamin'ny mpanao gazety teto Toamasina.

 

Publié dans Tselatra

Nametra-pialana Razafimaharo Rolland Besoa, Tale jeneralin’ny Air Madagascar, izy moa nitana ity toerana ity nanomboka ny 12 oktobra 2017.

« Manala « préavis » izy sisa, fa efa miandry izay fanapahan-kevitry ny Filankevi-pitantanana ny fanendrena izay ho solony », hoy ny mpanamory iray eo anivon’ity kaompaniam-pitaterana anabakabaka malagasy ity.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 18 décembre 2019 09:29

Wawa: Môtro international fin d'année

Mitohy ny fitetezana ireo firenena eoropeanina ataon'i "prince de salegy" Wawa, avy tany Belgique izy, dia izao mihazo an'i France izao miaraka amin'ny tarika iray manontolo.

Hafana ny fankalazana ny fetin'ny faran'ny taona 2019, satria dia sesilany ny lanonana izay ataon'i Wawa:

21 desambra ao Colmar
27 desambra ao Lyon
28 desambra ao Marseille
31 desambra sy ny 4 janoary 2020 ao Paris

Hiavaka ny fetin'ny asaramanitra, hanaovam-beloma ny taona 2019 ary hiarabana ny taona vaovao 2020, satria dia hiaraka hanafana ny lanonana ao amin'ny 47 rue des Solets Rungis, i Wawa, Big MJ, Lico Kinikike, ary Rijade ny 31 desembra 2019.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

18 décembre: Journée internationale des migrants.

 

Publié dans Fil info