Filtrer les éléments par date : lundi, 23 décembre 2019

Noel, une fête chrétienne, mais devenue universelle, car au delà de la naissance de Jésus Christ, l'esprit de noël, le partage de l'amour, la paix règne dans cette période.

Que l'esprit de noël, célébré par tout le monde, Chrétien, Musulman, athée, traditionaliste et autres croyances, dure dans notre pays.

J'implore tout le monde de revenir à nos valeurs de fihavanana, que les provocations, insultes, zizanie cessent, et que tous se serrent les coudes, ensemble pour sauver notre si beau pays avec le peuple Malagasy en souffrance.

Joyeux noël à tous.
Patrick

Publié dans Editorial

Tonga niara-nanangan-tsaina niaraka tamin’ny mpiara-miasa teo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak’Asa ny Masoivohin’i Korea androany maraina. Taorian’izay no nanolorany boky mirakitra « angano sy kolontsaina Koreana-Malagasy » miisa 3 300 ho an’ny mpianatra eny anivon’ny EPP ka hisitraka izany ny faritra telo, dia Analamanga, Boeny ary Vatovavy Fitovinany.

Ahitana angano miisa 20 ilay boky, ka ny 10 amin’izany nosoratan’i Esther Randriamamonjy ary ny 10 ambiny kosa angano koreana izay nadika tamin’ny teny malagasy.

Anisany tanjona amin’izao hetsika izao ny hampitombo ny fitiavan’ny ankizy ny vaky boky sy ny fanapariahana ny kolontsaina Malagasy ary ny fisokafana amin’ny kolontsaina vahiny.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Nisitraka fanomezana avy amin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina mivady ireo zanaky ny mpiara-miasa sy ireo havana sy tapaka eo anivon’ny Fiadidina ny Repoblika hankalazan’izy ireo ny Noely am-pifaliana, feno fahasoavana sy fifankatiavana.

Natao tamin’ity alatsinainy 23 desambra 2019 ity teny Ambohitsorohitra ny fifampizarana momba izany.

 

Publié dans Sociale

Nisy fiakarana ny vidin-javatra ilain’ny mponina andavanandro amin’izao ankatoky ny fety izao eto Toamasina. 16 000 Ariary ny kilao ny henan'omby, 80 000 Ariary ny gisa sy ny vorontsiloza ny mora arakaraka ny habeny. Ny akoho fakana nofo dia lasa 10 000 ka hatramin’ny 12 000 Ariary ny kilao amin’izao. Efa 1 800 Ariary ny kilaon’ny vary « stock » raha mihoatra ny 2 000 Ariary ny vary gasy mora indrindra.

 

Publié dans Tselatra

Fianarana hatrany ny fiainana. Manaporofo izany i Irene Russell, izay vavy antitra efa 99 taona nefa mbola mianatra, ary vao nahazo diplaoma amin’ny ambaratonga faharoa tao Magee, Vancouver, tanàna isany be mponina any Colombie-Britannique Canada.

Voatery nijanona tsy nianatra ka nikarakara namelona ireo zandriny i Irene Russell ny faramparan’ny taona 1930 rehefa nodimandry ny ray aman-dreniny.

Tapa-kevitra ny hiverina an-tsekoly hanohy ny fianarana nilaozany 70 taona lasa i Irene Russell, ary ny sekoly nianarany farany ihany no nianarany ka nanazoany diplaoma izao.

Nanomanan’ny sekoly fety manokana ny fanolorana ny diplaoman’i Irene Russell, satria voalohany no nisy vavy antitra nilofo tamin’ny fianarana toy azy izao tany Colombie-Britannique.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Nanjavona tsikelikely ireo lakroam-pasana vita amin’ny vy, na misy vy tamin’ireo fasana eny amin’ny "croisement Boanamary". Voasambotry ny Fokonolona Amparemahitsy ny alakamisy 19 desambra 2019 ny telo tamin’izy ireo, ka lehilahy ny iray, izay voatondro no nangalatra, ary vehivavy ny roa, voalaza fa mpividy halatra.

Zandary no mandray an-tanana ny raharaha, manao fanadihadiana. Amin’ity tolakandro ity no hatolotra ny Fampanoavana ireo voampanga.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Niharan’ny fanolanana tambabe, miaro herisetra ny vehivavy iray, vadina zandary miasa ao amin’ny « Poste Avancé » Manambina, Distrikan’i Miandrivazo, ny alin’ny 14 desambra 2019. Tao an-tranony, izay miala 800m ny tobin’ny zandary, ilay ramatoa sy ny zanany kely no notafihin’ny telo lahy sady nanao ny herisetra ara-nofo. Tsy teo an-toerana ilay Zandary vadiny tamin’io andro io fa tany ampamitana iraka fampandrian-tany.

Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny kaompanian’ny zandary Miandrivazo vao nahazo fampandrenesana momba ity herisetra ity. Nandeha ny fikarohana. Niisa 28 ireo olona nanaovana fanadihadiana, ka anisany ny tena tompon’antoka tamin’ny fanolanana.

Publié dans Vaovao

Hetsika hafakely no nataon’ireo mpanohana ny ekipan’ny Betis Séville any Espaina amin’izao ankatoky ny Noely izao. Samy nivimbina « peluche » ka natsipin’izy ireo teny ambony kianja rehefa vita ny lalao nifanandrinan’ny Betis Séville sy ny Atlético, omaly, ho fanohanana ireo ankizy sahirana amin’izao fankalazana ny Noely izao.

Niondrika teo anatrehan’ny Atlético tamin’ny isa 2 noho 1 ny Betis Séville io omaly io.

(Jereo Sary Net)

 

Publié dans Sport

Niondrika tamin’ny isa 94 noho 63 nanoloana ny Patriots BBC Rwanda ny GNBC Madagasikara, nandritra ny lalao famaranana omaly tao Kigali renivohitr’i Rwanda. Tsy nahavita nanala vela ny GNBC. Tombony ho an’ny Patriots ny mpijery maro, izy rahateo nilalao teo an-taniny.

Nanome voninahitra ity lalao famaranana omaly ity ny filohan'i Rwanda, Paul Kagame, izay niaraba manokana ny GNBC.

Laharana faharoa tamin’iny fifaninanana ho an’ny faritra atsinanan’i Afrika iny ny GNBC, ekipan'ny Zandarimariam-pirenena Malagasy, ary dia tafiditra ho isan’ireo ekipa 12 mendrika aty Afrika, hifaninana hiady ny tapakila hiadiana ny tompondaka erantany indray manomboka amin’ny febroary 2020.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport