Filtrer les éléments par date : jeudi, 26 décembre 2019

Feno ny trano ary tsy nisy te hisaraka mandram-parainan'ny andro nandritra ny fety izay nafanain'i "Prince du Salegy" Wawa tao Colmar France.

Manohy ny fitetezana an'ny France ny tarika Wawa, ka rahampitso zoma 27 desambra izy, dia hiazo an'i Lyon, ka hanafana ny lanonana ao amin'ny Salle le Brin d'herbe, 4 rue Calmette 69 740 Genas Lyon.

Hiazo an'i Marseille kosa izy ny sabotsy 28 desambra, ary hitotorebika ao Paris ny alin'ny 31 desambra anaovana veloma ny taona 2019.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Nibolisatra ka latsaka ary dobo an-drano sa namono tena ? Samy mametra-panontaniana izay nahita ny sarin’ireto mpianaka, ramatoa iray miaraka amin’ny zaza eo am-babeny niara-maty, ary natsingevan’ny rano tao amin’ny farihin’i Tritriva ao Antsirabe androany. Mbola nahitana entan-kely amin’ny gony jiafotsy niaraka tamin’izy mianaka.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Isan'ny antony mahatonga ny olan'ny famatsiana rano ho an'Antananarivo sy ny manodidina ny fahasimban’ny 40%-n’ny fantson-drano ka mila soloina.

Misy ny fiaraha-miasan’ny JIRAMA sy ny orinasa afrikana tatsimo TRG Internationale Company Pipeline Ltd amin’ny hanoloana ireo fantson-drano simba.

Mirefy 90km no hosoloina ary in-droa miantoana ny asa, izay hanomboka any amin’ny febroary 2020 any. 10km ny andiany voalohany sady hanaovana andrana. Hanaraka ny fanamboarana ny 80km ambiny.

20% n'ny Malagasy manerana ny Nosy ihany hatreto no manana rano fisotro madio vatsian'ny Jirama, ary 15% ihany no manana jiro.

 

Publié dans Vaovao

Fiara efatra nitanjozotra mianatsimo manaraka ny lalam-pirenena faha-13 no notafihin’ny andian-dahalo teo Manangovy, tanàna anelanelan’i Betroka sy Soanala ny alin’ny krismasy 25 desambra 2019. Vatan-kazo no nataon’ireo dahalo sakana teo amin’ny arabe nampijanonana ny fiara.

Vantany vao nijanona ireo fiara dia nanao tifitra variraraka ireo dahalo. Vaky ny fitaratry ny fiara sasany, ny hafa teny amin’ny vatan’ny fiara no nisy diam-bala. Nanezaka nandeha mafy ny fiara, ka voadingana ny sakana nahafahan’izy ireo nanavotr’aina niala ny fandrobana.

Ny alin'ny zoma lasa teo dia nisy fiara taksiborosy TATA iray ihany koa nosakanan'ny dahalo teo amin'io toerana io, fa voadingany ireo vato nataon'ny dahalo sakan-dalana ka tafatsoaka na teo aza ny tifitra nataon'ny dahalo.

 

Publié dans Tselatra

Noraisin’ny filoha Andry Rajoelina tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra androany alakamisy 26 desambra ny Barea U20 vehivavy, izay nandrombaka ny medaly volamena teo amin'ny « Tournoi UFFOI 2019 » natao tatsy amin’ny Nosy Maorisy.

Notoloran’ny fitondram-panjakana « prime » mitentina 1 tapitrisa Ariary tsirairay avy ireo mpilalao miaraka amin'ireo mpikarakara ara-teknika noho izao vokatra azo izao, izay sambany teo amin'ny tantaran'i Madagasikara no nibatan’ny ekipam-pirenena vehivavy io amboara io.

Publié dans Sport
jeudi, 26 décembre 2019 12:08

Kitra: Hisokatra ny AJESAIA Mampikony

Hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny Zoma 27 desambra 2019 ny AJESAIA (Association des JEunes Sportifs de l'Avenir Inter-Arrondissement) Mampikony.

Tonga eto an-tanindrazana hanome voninahitra manokana ny lanonana i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea an’i Madagasikara ankehitriny, izy izay mpilalao fahiny tao amin’ny AJESAIA, sady zanaky ny Distrikan’i Mampikony rahateo koa.

Isany hanamarika ity fotoana ity ny lalao ara-pirahalahiana hihaonan'ny AJESAIA (Pro League) amin’ny AS Justice D1 Mampikony hatao ao amin’ny Kianja Monisipaly.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Tany ampamitana iraka, nanao fisafoana ireto Zandary telolahy no notafihin’ny jiolahy mitam-basy tao Ambohimiandry Fokontany Miarikofeno, Kaominina Ambatomanoina, Distrika Anjozorobe ny marainan’ny 24 desambra 2019.

Vokany, lavo ny Zandary iray, ny roa naratra ka ny iray voatery nalaina tamin'ny angidim-bý nakarina eto an-drenivohitra ary tsaboina ao amin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana noho ny ratra mafy nanjo azy.

Voatifitra tao an-damosiny no nahalavo ilay Zandary iray ; voatifitra teo amin'ny kibony sy fe ilay iray tsaboina ao amin’ny CENHOSOA.

Atao hazalambo ireo nahavanon-doza.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Ny fikambanana Miahy Ambinintsoa, amin'izao fetin'ny Noely sy taom-baovao izao dia nahatsiaro manokana ireo ankizy sahirana, ireo be antitra, ka nanolotra kilalao sy vary ary menaka ho an'ireo zaza sy be antitra sahirana.

Ny fikambanana dia manana clinique, fitsaboana eo Amboaroy Antehiroka sy 67ha Ambodirano Ampefiloha. Mikarakara fahasalaman'ny reny sy ny zaza, tanora lahy sy vavy ary ireo be antitra.

Manana Dr Généraliste 1, Dr gynéco 1, Dr chirurgien 2, Anesthésiste sy réanimateur 1, Infirmiers 3, Sage femme 3, misy pharmacie kely amin'ny urgence, ary misy garde.

Publié dans Sociale

Mpivarotra iray, 44 taona, no notifirin’ny jiolahy ny talata 24 desambra tokony tamin'ny 07ora hariva raha hamonjy fodiana avy nivarotra. Voa teo amin'ny tratrany sy ny sandriny ilay mpivarotra, ary mbola voaroba ny vola maty ny tontolo andro tany aminy, manodidina ny 3 000 000 Ariary.

Nodidiana ny talata alina ilay mpivarotra ary avotra ny ainy.

Tsy lavitra ny Commissariat Bazary Kely no nitrangan'ny tifitra saingy tsy naheno ireo Polisy tao raha tsy ny tany amin'ny Hopitaly Be no niantso fa naharay olona voatifitry ny jiolahy izy ireo tokony tamin'ny 07ora sy 25min hariva.

 

Publié dans Tselatra

Nandritra ny fisafoana tanàna sy Fokontany ny alin’ny alatsiainy hifoha talata tokony tamin'ny 01ora maraina tao Mangarivotra no nitranga ny loza. Zandary iray no voatifitra teo amin'ny feny nandritra ny sakoroka tamina jiolahy nifanena tamin’izy ireo.

Nahazo taolana ilay tifitra ka voatery nakarina ao Antananarivo ilay Zandary manohy ny fitsaboana azy.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2