Filtrer les éléments par date : vendredi, 27 décembre 2019

Mpanao fanafihana mitam-piadiana, nampitondra faisana ny mponin’i Mangarano sy ny manodidina ireto « bande des 10 » ireo.

Mbola izy ireo no ahiahiana ho nitifitra ka nandratra Zandary iray teo ampanatanterahana ny asany ny alin’ny 24 hifoha ny 25 desambra lasa teo. Nalefa ao Antananarivo, tsaboina ao amin'ny Hopitaly miaramila Soavinandriana ny maratra amin'izao.

Voasambotry ny Zandary omaly ny fito amin’ireo « bande des 10 » ireo. Nahatratrarana fitaovana maro fampiasan’izy ireo amin’ny fanafihana ihany koa tany amin’izy ireo.

Anatin’ny fanadihadiana azy ireo ny Zandarimaria, ary hatolotra ny Fitsarana aorian’izay.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Tovolahy iray avy nikorana no nenjehan’ny mpanendaka teo Mahajanga Be ny alin’ny krismasy hifoha ny alakamisy 26 desambra. Nanezaka nitsoaka ka nanantona Bajaj sendra azy ilay tovolahy, nefa tsy namelan’ireo mpanendaka. Voakapakapa tamin’ny antsibe ny lohany ka naratra mafy, ary lasan’ireo mpanendaka ny finday tany aminy. Niharan’ny herisetra ihany koa ilay mpitondra Bajaj ka sady naratra mafy no voaroba avokoa ny vola tany aminy.

Samy tsaboina ao amin’ny hopitaly izy roa maratra ireo.

Nandeha avy hatrany ny fikarohana ireo olon-dratsy rehefa nahazo fampilazana ny mpitandro ny filaminana, ka nisy roalahy voasambotra, ary mbola nahitana antsibe mihoson-dra teny amin’izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

« Tokony ho ampy tsara amin’ny fampandehanana ny jiro 24/24 ora ny famatsiana solika ny orinasa Jirama Anjozorobe », hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, raha nidina tany an-toerana ka mandre ny olana misy eo amin’ny famatsiana herinaratra. Nambarany fa « hisy ny fanadihadiana akaiky atao mikasika ny fanodinkodinana sy ny halatra solika ao amin’io orinasa io ka miteraka ny fahatapahan-jiro, izay mila harenina ao anatin’ny fotoana fohy ».

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale
vendredi, 27 décembre 2019 20:47

Mandritsara: Tovovavy 16 taona, maty an-drano

Tovovavy iray, 16 taona, mpianatra taona faha-11 amin’ny sekoly tsy miankina iray eto Mandritsara no natelin'ny rano, raha nitsaka ny reniranon'i Mangarahara, androany maraina.

Efa tamin’ny fiandohan’ny tolakandro, nanodidina ny tamin’ny 1ora vao hita, saingy efa vatana mangatsiaka natsingevan’ny rano.

Efa eo anivon’ny fianakaviana eny Ambalabe ny razana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Zaza roa mianadahy iray tampo no namoy ny ainy ny tolakandron’ity zoma 27 desambra 2019 ity. Vokatry ny rotsakorana be loatra dia trano iray ao Andilangitamena, Fokontany Andatsadrano eto Soanierana-Ivongo tampon-tanàna no nihotsahan’ny tany.

Sendra teny an-tonkotany ny ray aman-dren’izy ireo no nihotsaka tampoka ny tany. Tavela tao an-trano izy mianadahy, izay 2 taona ny zandriny ary 7 taona ny zokiny, izay samy tsy nisy avotra.

 

Publié dans Vaovao

Kianjan'ny Kanto Mahamasina: Fankalazana ny faha 47 taonan'ny antoko MFM

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

GUICHET FERME sur www.ketrika.com pour le Spectacle Ambondrona du 29 décembre, 2000 billets de réservation ont été livrés ; 100 billets premium et 500 billets simples.

Les billets doivent être récupérés auprès des points relais avant le samedi 28 décembre 2019 à 17h. Il n’y aura pas de récupération de billet le jour du spectacle.

Ketrika.com remercie les utilisateurs qui l'ont fait confiance.
Rendez-vous sur www.ketrika.com pour bénéficier des prix réduits pour toute l’année.

 

 

Publié dans Art et Culture
vendredi, 27 décembre 2019 08:25

Fiainana antoko: 47 taona androany ny MFM

Teraka ny 27 desambra 1972, taorian’ny hetsiky ny mpianatra ny mey 1972 ny « Mpitolona ho amin’ny Fanjakan’i Madinika » (MFM). Isany mpanorina azy i Manandafy Rakotonirina, ity farany izay nodimandry ny 15 martsa 2019.

Niova anarana ho « Mpitolona ho amin’ny Fandrosoan’i Madagasikara » ny MFM ny taona 1988.

Mpanalalana ny  « Herivelon’i Madagasikara » tamin’ny 1991.

Mpikambana ao amin’ny « Internationale Libérale » nanomboka ny taona 2006 ary mpanorina ny « Réseau Libéral Africain » ny taona 2007.

 
Publié dans Politique

Saron’ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Boriborintany faharoa Antananarivo Renivohitra ny mpanao sintomahery iray amin’iny faritra Ambatoroka iny. Voasambotra ihany koa ny mpangarom-paosy sy poketra anaty taxi-be amin’ny zotra 180 sy 182.

Manantena ny fiarahana-miasa amin’ny Vahoaka hatrany ny mpitandro ny filaminana, hamongorana ireo mpanao ratsy.

 (Jereo Sary Tohiny)
Publié dans Vaovao