Filtrer les éléments par date : dimanche, 29 décembre 2019

Fomba iray miaro ny vahoaka amin'ny valanaretina ny fanaovana vaksiny. Antoka lehibe mampahomby ny vaksiny ny fanajana ny fenitry ny fitahirizana azy na "Chaine de froid".

Vata fampangatsiahina fitahirizana vaksiny mandeha amin'ny herin'ny masoandro (frigo solaire) miisa 404 no naparitaky ny Ministeran'ny Fahasalamana sy ireo mpiara-miombona antoka manerana ireo Tobim-pahasalamana fototra (CSB) eto Madagasikara.

Efa tafapetraka eny anivon'ireo CSB manerana ny Nosy ireo vata fampangatsiahina fitahirizana vaksiny ireo.

 
Publié dans Sociale

Nitombo ho 15 000 ireo mpampianatra FRAM horaisina mpiasam-panjakana raikitra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak'Asa amin'ny taona 2020 io, raha 8 500 izany farany teo.

Ho laharam-pahamehana ny hampidirana an'ireo mpampianatra FRAM efa be taona ho mpiasam-panjakana amin'ny taona 2020.

 
Publié dans Sociale

Hanohana ara-bola ny fanitarana ny EPP Ambatobe- Antananarivo sy fanorenana EPP vaovao ao Ranomainty - Amboasary Atsimo ny Masoivoho Japoney. 

Notanterahina teny amin’ny "Résidence de l'Ambassadeur du Japon" ny 27 desambra 2019 ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa mikasika izany, teo amin'ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak'Asa sy ny Masoivoho Japoney.

 
 
Publié dans Sociale

Ramatoa iray sahabo ho 50 taona no nosamborin’ny Zandary raha nikasa handrotsaka vola sandoka amin'ny kaontiny amin'ny "cash point" iray tao Isoanala, Distrikan’i Betroka omaly sabotsy 28 desambra 2019. Lelavola roa alina Ariary sandoka miisa 6 amin'ireo 15 saika narotsany no tany aminy.

Vao nivoaka ny fonja tsy ela noho ny raharaha fisandohana ity ramatoa ity, dia izao mamerin-keloka izao indray.

Mandray an-tanana ny famotorana azy ny Zandary ao amin’ny Tobi-paritry ny Zandarimariam-pirenena Isoanala.

 
Publié dans Vaovao

Roalahy, gadra afaka, no voasambotry ny Polisy teny Analakely omaly sabotsy raha nikasa ny hanendaka teratany vahiny. Dimy lahy izy ireo, fa ny roa no voasambotra.

Olona nahatsikaritra ny fitaovam-piadiana mahery vaika teny am-balahany no nampilaza ny Polisy, dia ireto nanao ny fanenjehana avy hatrany ka nahatratrarana azy roalahy ireto.

Mametra-panontaniana ny olom-pirenena manoloana ny tranga toy itony hoe : toerana fanarenana marina ve ny fonja sa sanatria sekoly fiofanan’ny jiolahy ?

 
Publié dans Vaovao

L’année 2019 a tout d’abord débuté par le retour au pouvoir d’Andry Nirina Rajoelina au pouvoir après 5 ans d’absence ou de retrait de la vie politique selon le point de vue de chacun.

Versatilité ou manipulation ?

A première vue ces présidentielles 2018 ont été marqués par une baisse significative du taux de participation (de 7,5%) par rapport aux précédentes de 2013. L’actuel Chef de l’Etat a été élu au 2nd tour par plus de 55% des suffrages exprimés face à son archi-rival Marc Ravalomanana qu’il a déjà renvoyé du pouvoir en 2009 !

Notons qu’au 2nd tour, le taux de participation n’a été que de 48,09% ! Beaucoup ont parlé de manipulation des résultats de la part d’une Commission Électorale Indépendante (CENI) acquise à la cause de Rajoelina.

Publié dans Editorial

C’est le 364e en cas d'année bissextile. Il reste 2 jours avant la fin de l'année.

 

Publié dans Fil info