Filtrer les éléments par date : dimanche, 08 décembre 2019

Nirava ady sahala, 1 noho 1 ny Barea an’i Madagasikara sy ny Bafana Bafana Afrikanina Tatsimo, androany tao Zambia.

I Madagasikara no nampidi-baolina voalohany, tamin'ny alalan'i Avizara (55'), raha toa ka samy tsy nisy nitoko ny roa tonta teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, izay vao nosahalain’ny Afrikana Tatsimo.

Voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra iny lalao iny i Balvano, mpiandry haraton’ny Barea an’i Madagasikara.

Samy nahavita lalao faharoa avy izao ny ekipa roa tonta. Ny nosy Maorisy no ekipam-pirenena manaraka hifandona amin’i Madagasikara, raha i Lesotho kosa no ho adverseran’i Afrika Atsimo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Publié dans Sport

Solombavambahoaka voafidy ara-dalàna i Raveloson Ludovic Adrien na Leva. Izahay vahoaka no nifidy azy tamin’ny 27 mey 2019 ary lany tamin’ny salanisam-bato 32,02% izy, noho no fahatokisanay azy, hoy i Marson sendra ny Gasypatriote.

Publié dans A la Une

Ce lundi 9 décembre et ce durant 3 jours (9-10-11) se tiendra au Centre de conférences international à Ivato (CCI) une « Concertation nationale ». Ces 3 jours de concertation nationale auront pour objectif de « favoriser l’appropriation nationale, mobiliser l’opinion publique autour de l’enjeu de souveraineté malagasy sur ces îles et de compléter les bases de données existantes sur ces îles malagasy de l’océan Indien ». Ainsi les contours de la dite concertation ont été définis par un récent conseil du gouvernement (3 décembre).

Collecte d’informations et concertation

A titre de rappel, une campagne de consultation et de sensibilisation des citoyens sur ces îles pour recueillir le maximum de data (informations) a été lancée, et ce jusqu’au 5 décembre dernier. Le ministère de l’Intérieur et de la Décentralisation organisa au niveau régional avec les districts et les communes, des consultations auprès de chaque juridiction territoriale afin d’élargir au maximum les informations auprès des citoyens de toutes les localités de Madagascar et 2 représentants par région seront par la suite sélectionnés pour assister à la concertation nationale. A cause de leur proximité géographique avec les îles Malagasy, les régions de Diana, Boeny, Melaky, Menabe et Atsimo Andrefana auront chacune 3 représentants.

Publié dans Editorial

Nitrangana fanafihana mitam-basy tao amin’ny Kaominina Ankazondandy sy Sadabe ny alin’ny 2 desambra 2019. Zandary iray miasa ao Sabotsy Namehana ahiahiana ho tafiditra tamin’ity fanafihan-jiolahy ity.

Samy nanondro azy avokoa ny olona efatra tamin’ireo niharam-boina rehetra nataon’ny zandary avy amin’ny Kaompania Imerina Centrale ny fifanatrehana ny 5 desambra 2019. Narahina fisavana ny tranon’ilay zandary izany, ka nahitana tranom-bala iray, ody gasy, akanjo « blouson » hoditra mainty nampiasainy tamin’ny fanafihana.

Notazomina avy hatrany anaovana fahadihadiana io zandary io amin’izao fotoana.

 

Publié dans Tselatra

Namoaka ny andiany voalohany ho an’ny diplaoma « Master » ny IES-AV Antsirabe na ny « Institut d’Enseignement Supérieur Antsirabe-Vakinankaratra”, izay rantsan’ny oniversiten’Antananarivo.

Miisa 83 ireo nahazo mari-pahaizana « Master » mandrafitra ny andiany « Mamiratra », raha toa ka « Misandratra » koa ireo nahazo marimpahaizana “Licence”, izay andiany faha-3.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Ilay rivodoza « Belna » no mandrafitra ny toetr’andro eto Antsiranana. Mbola mavesabesatra ny lanitra io tolakandro io ary manomboka avy be ny orana, taorian’ny orana nijojo hatramin’ny alina. Saika dibodrano ny ankamaroan’ny tanàna Antsiranana tampon-tanàna.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Lasibatry ny mpangalatra ny tarobia mitondra herinaratra mampihodina ny toby famokaran-drano eny Amoronakona. Ny alin’ny sabotsy hifoha androany alahady no nisehoan’ny halatra, araka ny fampitam-baovaon’ny Jirama.

Vokan’izany dia miato ny fanaovana andrana famatsian-drano an'Ambohimangakely - Ambohimahitsy sy ny manodidina.

Efa mandray ny andraikiny amin'ny fanoloana io tarobian-jiro io ny Jirama mba hahafahana manohy ny andrana famatsian-drano ataon'ity toby ity.

 

Publié dans Tselatra

Hitsidika an’i Madagasikara ny Mpandrindra ny tetikasa « Power Africa » an’ny governemanta amerikana, Atoa Andrew M. Herscowitz, ny 8 hatramin’ny 11 desambra 2019.

« Power Africa » dia fiaraha-miombona antoka eo ambany fiadidian’ny fitondram-panjakana amerikana izay arindran’ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID).

Publié dans Economie

Toy ny fifidianana rehetra niseho dia tsapa fa nisy tokoa ny lesoka, ny tsy fanarahan-dalàna isan-karazany, ny fividianana ireo delegen’ny hafa. Nisy ireo lisi-pifidianana tsy tomombana, sns… hoy i Masy Goulamaly, Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan'i Tsihombe, Faritra Androy.

« Fa ity lesoka iray ity no tena tsy azo leferina, dia ny fanomezana kara-panondro zaza tsy ampy taona ary an-jatony maro, izay asaina mandatsa-bato, satria hono voasoratra ao anaty lisitry ny mpifidy», hoy i Masy Goulamaly.

Publié dans Politique
dimanche, 08 décembre 2019 15:24

Journée mondiale du chant choral

Célébrée le deuxième dimanche de décembre.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2