Filtrer les éléments par date : mercredi, 19 juin 2019

Tontosa androany ny famindram-pibaikona teo amin'ny Jeneraly Rakotoniaina Jeannot, misolo an'i Jeneraly Raveloson Romel eo anivon'ny Rezimanta Miaramila faha-3 (RM3) ; ny Kolonely Ralaimampandry Benoit, misolo an'i Kolonely Rahajandrainy Dieu Donné Parfait eo anivon'ny Jenia Miaramila faharoa, ary ny Kolonely Randrianarison Elisa Lalaina, misolo ny Kolonely Andriamifidy Andy Patrick eo anivon'ny 1/RM3.

Nampiasaina nandritra ity lanonana ara-miaramila ity ihany koa ny ampahany amin'ireo fiara 4x4 vaovao an'ny foloalindahy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Après 3 jours de réunion houleuse avec les opérateurs pétroliers, le Président Andry Rajoelina a pu faire baisser les prix du carburant:

Baisse de 500 ariary pour le pétrole lampant, 150 ariary pour le gasoil, et 100 ariary de baisse pour l'essence.

Au 04 décembre 2018, les prix sont:

Pétrole lampant: 2630 ariary
Gasoil: 3550 ariary
Essence: 4200 ariary

Après la baisse, les tarifs seront:

Pétrole lampant: 2130 ariary
Gasoil: 3400 ariary
Essence: 4100 ariary

Publié dans Fil info
mercredi, 19 juin 2019 21:25

Solika: Hihena 100 ariary ny lasantsy

Nivory nandritra ny 3 andro niaraka tamin'ny Filoha Andry Rajoelina ireo mpisehatra rehetra momba ny solika.

Tapaka tamin'izany fa hihena 500 ariary ny vidin’ny solika fandrehitra na pétrole, ny gasoil dia hihena 150 ariary, ary ny lasantsy dia hihena 100 ariary.

Raha tamin'ny 04 desambra 2018 ny vidin'ny solika:

Solika fandrehitra 2630 ariary
Gazoaly: 3550 ariary
Lasantsy: 4200 ariary

Dia ho lasa:

Solika fandrehitra: 2130 ariary
Gazoaly: 3400 ariary
Lasantsy: 4100 ariary

Publié dans Tselatra

(Somary lavalava ihany)

Efa hitatsika teto ny toe-tsaina manentana raha mikasa anangana na hitantana orinasa.

Mila fantarina tsara ny zavatra tianao atao, ny zavatra hainao, na ny nianarana io na talenta na traikefa azonao tamin'ny fiainana.

Mila fantatrao ny teo-pahasalamanao, satria tsy mora ny mitantana orinasa, fantatrao ve ny lanjanao? Fantaro ny vatanao, tokony hifanentana amin'ny halavanao ny lanjanao. Ohatra 1.60m, dia tsy tokony hiotra ny 60Kg izany ianao.

Nahoana no miresaka fahasalamana? Satria ny asa dia misy adidy maro, misy aditsaina, ary mety mila vatana tomady, satria mety andeha alavitra, tsy atory, mety ho tara sakafo aza indraindray.

Tsy maintsy mitady vaha olana kosa ny amin'izany ahatomady na izay asa sahaza ny vatanao sy ny fahasalamanao no ataonao.

Publié dans Editorial

Tapitra rahampitso 20 jona 2019 ny fe-potoana nomen’ny Fanjakana ireo rehetra mitazona basy tsy ara-dalàna hamerina izany eny amin’ny mpitandro ny filaminana fa tsy misy arakaraka.

Dahalo maro tamin’iny Distrikan’i Isandra, faritra Matsiatra Ambony iny, no nanapa-kevita namerina ireo basy tany aminy.

Tombanana ho 6.000 eo ny isan’ny sivily izay manana taratasy fahazoan-dalàna hitazona fitaovam-piadiana eto Madagasikara. Betsaka amin’ireo anefa no tsy mazava hoe basy avy aiza ary karazany inona izy ireo. Ho hentitra amin’ny fampiharana lalàna ny Fanjakana ho an’izay tratra aorian’ny 20 jona, fe-potoana nanomezana famindrampo.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 19 juin 2019 11:23

Kitra- CAN 2019: Tonga ao Egypta ny Barea

Nigadona tao Caire any Egypta alina ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra na Barea, hiatrika ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra, izay hanomboka amin’ny zoma 21 jona izao.

Vonona ara-tsaina, ara-batana ny solontena malagasy, izay sambany handray anjara amin’ny CAN. Tsy voasokajy ho ekipa andrarezina ny Barea, horaketin’ny tantara anefa izao idiran’i Madagasikara amin’ny ekipa 24 sangany aty Afrika izao.

Barea an’ny Malagasy !

 

 

Publié dans Sport

19 juin:Journée internationale pour l'élimination de la violence sexuelle en temps de conflit.

 

Publié dans Fil info

La drépanocytose, aussi appelée anémie falciforme, est une maladie héréditaire touchant l'hémoglobine des globules rouges. Cette protéine est essentielle à la fonction respiratoire: c'est elle qui permet le transport de l'oxygène dans notre organisme.

 

 

Publié dans Fil info