Fampisakafoanana an-tsekoly: 786 ireo EPP misitraka ity fandaharan'asa ity
Fandaharan'asa Erantany momba ny Sakafo na PAM no manohana ny ny fandaharan'asa fampisakafoanana an-tsekoly. Mahatratra 786 ireo EPP amin’ny faritra telo any atsimon’ny Nosy no misitraka ity fandaharan'asa ity, izay ahitana mpianatra miisa 1 938 365, araka ny tombana natao ny taona 2018.
Efa maherin’ny 30 taona ny PAM no nanohana ara-tsakafo an’i Madagasikara, ary mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana ny tahan’ny fampidirana an-tsekoly ny mpianatra eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fametrahana ny tetikasa fampisakafoanana an-tsekoly.
(Jereo Sary Tohiny)
Ikongo: Adin’ny enina no mandeha ny jiro, mbola tsinjaraina
Miaina tsy fahampian’ny herinaratra ny eto Ikongo efa herinandro teo izay. Tapatapaka ny jiro, ary adin’ny enina no misy.
Eo anelanelan’ny amin’ny telo ora sy sasany tolakandro ka hatramin’ny sivy ora sy sasany alina no misy jiro, ary tsinjaraina amin’ireo kartie misy eto an-tanàna, samy manana adin’ny telo eo.
Fahanteran’ny milina mpihary herinaratra no voalaza fa anton’io tsy fahampiana io.
Efa ratsy lalana i Ikongo no mbola miaina tsy fampiana herinaratra ihany koa, ka mitaraina ny mponina, indrindra ny mpandraharaha.
Voatifitry ny jiolahy: Nodimandry androany ny Ben’ny tanànan’i Belalona
Naratra mafy voatifitry ny jiolahy, nandritra ny fanafihana mitam-basy nitranga ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 29 jolay 2019, tokony ho tamin’ny 2ora maraina i Zaratody, Ben’ny tanànan’i Belalona, Distrikan’i Befandriana Avaratra.
Sinoa mpandraharaha lavanila no nokendren’ireo jiolahy tamin’io. Mpanofa tranon’i Zaratody ity Sinoa ity. Tifitra basy no nitsenan’ireo jiolahy azy raha nivoaka hamonjy ilay Sinoa voatafika izy. Niantefa teo amin’ny kibon’i Zaratody ny bala. Naratra nofirain’ireo jiolahy tamin’ny antsy ny mpiambina iray.
Niditra an-tsehatra ihany koa ny Zandary notarihin’ny Komandin’ny tobi-paritra Befandriana Avaratra, vao nahazo fampandrenesana. Nifamaliana ny tifitra. Maty ny iray tamin’ireo jiolahy, tafatsoaka ireo namany. Naratra voatifitra ilay Komandin’ny Brigady.
Nalaina maika tamin’ny angidimby io alatsinainy 29 jolay io ihany, nakarina taty Antananarivo ary navantana tao amin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana ny Ben’ny tanànan’i Belalona sy ilay Komandin’ny tobi-paritry ny Zandarimaria Befandriana Avaratra noho ny hamafin’ny ratra nahazo azy ireo.
Finday: Nopotehina ireo tsy misy IMEI
Fiaraha-miasa teo amin'ny ARTEC sy ny Fadintseranana no namotehina ny finday miisa arivo mahery noho ny tsy fisian'ny IMEI.
Ny IMEI na "International Mobile Equipment Identity" dia isa eo amin'ny 15-17 eo, izay hita ao ambadikin'ny finday, na ao anaty fitoerana batterie, na tsindrio ny *#06# (Etoile dièse 06 dièse) OK na appel, dia mivoaka ny IMEI, izay isa tokana ananan'ny finday tsirairay, ka amantarana izay tompony. Raha double puce na double SIM ny finday dia misy IMEI roa.