Filtrer les éléments par date : samedi, 17 août 2019

Hampiasàna teknolojia vaovao koa ny fahazoan-dalana hitondra fiara (Permis de conduire biométrique) sy ny taratasy mirakitra ny mombamomban’ny fiara (Carte grise) araka ny voarakitra ao amin’ny fandaharan’asa fanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fanjakana nataon’ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, ny 16 aogositra 2019.

« Centre Immatriculateur » na Foibe miisa 12 no hametrahana izany eto amintsika, izay efa natomboka any amin’ny renivohi-paritany 6 eto amin’ny Nosy ka haparitaka ihany koa amin’ny renivohi-paritra 6 hafa, ary kendrena ho vita mialohan’ny faran’ny taona 2020 izy rehetra.

 

Publié dans Sociale

Nanao fanambarana iombonana, omaly, ny Firaisamonim-pirenana ahitana ny Education Network, Aide et Action ary ny Hetsika ROHY, izay nanao sonia ny PSE (Programme Sectoriel de l’Education) milaza fa tsy mankasitraka velively ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Governemanta samirery ary mangataka ny hiverenany mijery izany mba ho tombontsoan’ny ankizy malagasy sy hitandrovana ny fahalemana ara-tsosialy.

Manainga ireo mpiantsehatra rehatra nanaiky ny PSE ny Firaisamonim-pirenana mba hiaro sy hanaja ny fifanekena niaraha-nanao ary koa mba hitandrovana ny fitokisana ny Fanjakana malagasy izay samy tompony ny rehetra.

Manentana ny mpiantsehatra rehetra ihany koa ny Firaisamonim-pirenana mba hifanakalo hevitra sy hanabe/hanentana ny olompirenena momba ny fanavaozana entin’ny PSE hanatsarana ny fisitrahan’ny rehetra fanabeazana tsara kokoa.

Publié dans Sociale

Tao anatin’ny telo volana no nahazoan’ny Zandary io vokatra io. Nisy ny fanomezana taratasy fankasitrahana sy lelavola efatra tapitrisa ho an'ireo Zandary miisa 40, maherifo sy nanao asa tsara, nahazoana ireo basy maherivaika miisa 76 teny ampelatanan'ny dahalo ireo.

 

Publié dans Tselatra

Ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina dia nanatanteraka varavarana misokatra ho fampahafantarana ny rafitra miady amin'ny heloka atao amin'ny fitaovan-tserasera na ny cyber criminalité, izay natao omaly zoma tao amin'ny tranom-bokim-pirenena Anosy.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale
samedi, 17 août 2019 20:39

17 août

Journée internationale du chat noir.

 

Publié dans Fil info

Mpizaika miisa 3 794 no efa nisoratra anarana ato amin'ny Faritra Menabe hiazo an’Antananarivo amin’ny famangiana Apostolika hataon'i Papa François eto Madagasikara ny 6 ka hatramin’ny 10 septambra 2019.

Nisy ny fivoriana fanomanana natao teto Morondava, notarihin'ny Mompera Vikera niaraka tamin’ny Lehiben'ny Faritra sy ny Prefektiora, nanasana ny Mpitandro filaminana, ireo mpandraharaha ara-pitaterana, ny Kopetrativa fitaterana nasionaly sy rezionaly, ny avy amin’ny Fahasalamana, ny mpanao gazety, handaminana ny fitaterana ireo mpizaika ireo sy ny fandaminana amin'ny ankapobeny.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Publié dans Art et Culture