Filtrer les éléments par date : lundi, 19 août 2019

Nanomboka androany alatsinainy 19 aogositra hatramin’ny zoma 24 aogositra 2019 ny fankalazana ny Herinandrom-pirenena ho an’ny fampinonoan-dreny.

Lohahevitra voizina mandritra ny fankalazana ny hoe : « Ray aman-dreny mandray andraikitra, fampinonoan-dreny lavorary ».

Ny Kaominina an-drenivohitra Miarinarivo Itasy no handray ny fankalazana ofisialy ny alarobia 21 aogositra ho avy izao.

 

Publié dans Sociale

Mifanolana anatiny ny fianakaviana ampanjaka manoloana ny fananganana Mpanjakan’i Menabe. Nandefa taratasy any amin’ny lehiben’ny Distrika ny Printsy Kamamy Magloire, androany 19 aogositra 2019, milaza ny fanoherany marindrano ny fananganana Mpanjakan’i Menabe kasain’ny sasany ao anatin’ny fianakaviana hatao eo amin’ny Zomban’i Dady, ary milaza ny hametraka fitoriana mihitsy aza ny tenany.

Ny ankilany indray efa mivonona ny hanatanteraka io lanonana fananganana Mpanjakan’i Menabe io, rahampitso talata 20 aogositra 2019, raha tsy misy fiovana amin’ny fotoana farany.

 

Publié dans Art et Culture

Nandriaka ny ra androany alatsinainy 19 aogositra 2019 tao Antanamandriry Kaominina Tsarabaria, Distrikan’i Vohémar. Enin-dahy voalaza fa jiolahy mpangalatra lavanila no maty tsy tra-drano niharan’ny fitsaram-bahoaka.

Niteraka resabe ny fahitana ny faty niampatra ka niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera sosialy ny sary. Aiza ny fahefam-panjakana, hoy ny maro ? Aiza ny mpitandro ny filaminana no dia novonoina tsy nandalo Fitsarana ireto jiolahy ireo, ka tsy ahafantarana ny atidohan’ny mpangalatra lavanila hoy indray ny sasany. Efa leo ny Fokonolona satria matetika dia votsotra hatrany ireo jiolahy tratra ka atolotra ny fitsarana, avy eo miverina mamalifaty ka ny fitsaram-bahoaka no vahaolana sady fiarovantenan’ny tantsaha, hoy indray ny hafa.

Nahatrarana fitaovam-piadiana toy ny basy poleta roa, iray tena izy, ny iray vita gasy, niaraka tamin’ny bala miampy zava-maranitra sy fanafody fampatoriana tao anaty boaty tany amin’ireo jiolahy ireo.

Publié dans Vaovao

Androany 19 aogositra 2019 no notontosaina tetsy amin’ny CCI Ivato ny lanonana fanokafana « Journée de concertation des grands responsables de la Police Nationale », izay fivoriana mandritra ny roa andro; natao hamolavolan’ireo lehibe tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Polisim-pirenena ireo paik’ady sy fomba fiasa vaovao entina hanatsarana ny fomba fiasa sy ahafahana manatanteraka ireo vina sy tanjona izay napetrak’Atoa Ministra ao anatin’ny « Contrat de performance » nifanaovany tamin’Atoa Praiminisitra lehiben’ny governemanta, ary tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny filohan’ny Repoblika.

Tonga nanome voninahitra izany fihaonam-be arahina atrik’asa sy fikaonan-doha mandritra ny roa andro izany moa ny Praiministra lehiben’ny governemanta, Atoa Ntsay Christian.

Publié dans Vaovao

Manatanteraka fihaonana an-tampony faha-39 ao Dar-Es Salaam – Tanzania ny SADC ny 9 ka hatramin’ny 19 aogositra 2019. Nandefa taratasy misokatra any amin’ny Sekretera Mpanatanteraky ny SADC ny filoha teo aloha, sady filohan’ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) Marc Ravalomanana, mampafantatra ny fijoroan’ny RMDM tarihiny sy ny antom-pisian’io vovonana io.

Indro taterina eto manontolo izany taratasy izany:

« Ny RMDM: Endrika vaovao ny fanoherana eto Madagasikara

Publié dans Politique

Tonga nisaotra ny Vahoaka nifidy azy sy ny rehetra amin’ireo Kaominina sivy mandrafitra ny Distrikan’Ambatofinandrahana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, sady solombavambahoaka voafidy taty Ambatofinandrahana, Razanamahasoa Christine, ny sabotsy 17 aogositra 2019. Natao tao Ampanaovampoara, kianja malalaka aty an-toerana ny lanonana.

Tonga nanotrona azy ny mpikambana avy amin'ny governemanta, solombavambahoaka avy amin'ny Distrika maro, indrindra fa ireo zanaky ny Faritra Amoron'i Mania.

Publié dans Vaovao

Fitokonana no nasetrin’ny mpiasa ny fanapahan-kevitry ny fanjakana nanatsahatra ny asan’ny “Madagascar Prenium Oil”, izay orinasa mpanao menaka miorina aty Tanandava-Toamasina II.

23 janoary 2018, fony Randrianarisoa Guy Célin Rivoniaina minisitry ny indostria, dia nahazo alalana ara-panjakana hanangana ny orinasany sy hanangana izany ny tompony. Mbola nohamafisin’ny minisitra Randrinainarivelo Hajo tamin’ny didim-pitondrana laharana 5098/2019 izany ny 21 marsa 2019 izany, izay nanome fahazoan-dalana amin’ny fananganana ny orinasa.

Publié dans Economie
lundi, 19 août 2019 15:27

19 août

Journée mondiale de l'aide humanitaire.

 

Publié dans Fil info
lundi, 19 août 2019 15:27

19 août

Journée mondiale de la photographie.

 

Publié dans Fil info

Mijolofotra ny setroka mainty. Tsy andro tsy alina. Izay no tazan’ny mason’ny mpandalo amin’ny lalam-pirenena fahafito rehefa eny Ampangabe-Atsimondrano eny, toerana misy ny Analamanga Park. « Izao ny ety aminay isan’andro, hatramin’ny nisian’io orinasa mpamokatra vy io », hoy ny mponina sendra ny Gasy Patriote teny an-toerana.

Publié dans A la Une
Page 1 sur 2