Filtrer les éléments par date : mardi, 27 août 2019

Notanterahina androany ny adina ara-panjakana CEPE, izay fanadinana voalohany ara-panjakana hatrehan'ireo mpianatra madinika.

Vao maraina dia nisomebiseby na ireo zaza madinika, na ireo ray aman-dreny feno tebiteby amin'ireto zanany, ka maro tamin'izy ireo no tsy niala nanodidina ny toeram-panadinana nanatitra sy nanohana ireto zaza katita kely ireto.

Maro ny tsy nody fa niara-nisakafo teny an-jaridaina teny.
Vonona hatrany ireo ankizy hiatrika izany fandinana izany.
Anisan'ny nampihetsim-po ny nahita ny fikirizan'ity zaza manana kelema, sy ireo ray aman-dreniny nankahery azy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Tonga nihaona tamin'ny Ben'ny Tanàna an'Antananarivo Renivohitra androany ny solontena avy eny amin'ny Nonce Apostolique mahakasika ny fanomanana ny fahatongavan'i Papa ray masina eto Madagasikara ny 06 ka hatramin'ny 10 septambra ho avy izao. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nitsidika ilay zaza lahy kely 3 taona, sembana ara-batana, izay nisy nanala ny masony roa ny Talen’ny kabinetra sy ny Talem-paritry ny Minisiteran’ny Mponina aty amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.

Ity fitsidihana teto Ankililoaka Distrikan’ny Toliara II ity dia notronin’ny komiseran’ny kaominina Ankililoaka, ny solotenan’ny Ben’ny Tanàna ary ny Dina be teto an-toerana.

Notolorana fanampiana fatana mitsitsy 1, vilany lehibe 2, lapoaly 1, vilany saba 1, thérmos 2, sivana 1, plateau lehibe 1, fitoeran-drano lehibe 2, bidon 20L 2 ; ny ray aman-drenin’ity zaza ity ho fanampiana azy amin’ny asa fivelomana.

Nahazo chaise roulante kosa ilay zaza manana fahasembanana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Tontosa ny famindram-pitantanana teo amin’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Mponina teo aloha, HANTA BARAKA Charlotte sy ny Sekretera Jeneraly vaovao, RAKOTONIRINA Miarisoa Patricia.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique