Filtrer les éléments par date : mercredi, 18 septembre 2019
mercredi, 18 septembre 2019 23:19

Liste des Etablissements Publics Nationaux

Liste des Etablissements Publics Nationaux, arrêtée au mois de décembre 2018, appelés aussi "Organismes rattachés"

Le ministère des finances effectue régulièrement une mise à jour de la liste, mais nous avons pu nous procurer celle de décembre 2018, susceptible d'être déjà modifiée.

Parmi ces Etablissements donc la liste que le conseil des ministres doit publier pour le déclassement ou la suppression, à la demande du Président de la République, car considérés budgétivores.

(Voir liste Galerie Photo)

Publié dans Sociale

Sady handray ny fifantenana ireo mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly Barea i Nicolas Dupuis, no handray an-tanana ihany koa ny fampiroboroboana ny baolina kitra eto Madagasikara amin'ny ankapobeny, amin’izao nanendren’ny Federasiona azy izao ho Tale teknika nasionalin'ny baolina kitra eto Madagasikara izao.

Nisy androany maraina ny fihaonan'ny filohan'ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra Rabekoto Arizaka Raoul sy Nicolas Dupuis tao amin’ny biraon'ny federasiona tetsy Isoraka, Antananarivo.

 

Publié dans Sport

Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian no voatendry hisahana vonjy maika ny asan’ny minisitry ny raharaham-bahiny izay androany no maha minisitra miandraikitra io asa io azy farany, noho izy nirotsaka hofidina ho Ben’ny tanànan’Antananarivo, izay nankatoavin’ny OVEC (Organe de Vérification et d'Enregistrement des Candidatures) androany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Voatendry ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny « Royaume de Belgique », sady solontena maharitra ao amin’ny Vondrona Eoropeana ao Bruxelles (Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire, Représentant Permanent de la République de Madagascar auprès du Royaume de Belgique et de l'Union Européenne à Bruxelles) i Jean Omer BERIZIKY.

Efa nitazona io andraikitra io izy nandritra ny 11 taona, teo anelanelan’ny martsa 1995 ka hatramin’ny aprily 2006. Efa Praiminisitry ny tetezamita iraisana (2011-2014), ary kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2018, nahazo 0,31% tamin’ny fihodinana voalohany. Nanohana an’i Andry Rajoelina tamin’ny fihodinana faharoa.

Mpikambana tao amin’ny antoko Leader Fanilo izy taloha.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 18 septembre 2019 21:47

Administratera Sivily: Hifamotoana aty Mahajanga

Hanatanteraka fihaonambe nasionaly aty an-drenivohitry ny Faritra Boeny ny sendika nasionalin’ny Administratera Sivily eto Madagasikara ny 5 sy 6 oktobra 2019. Handray anjara amin’io fihaonambe io na ireo Administratera amperin’asa na ireo efa misotro ronono.

 

Publié dans Tselatra

Nanome toromarika ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny filankevitry ny Minisitra androany, ny amin’ny tokony hanafoanana ireo «organismes rattachés», sampandraharaha miankina amin’ny fanjakana, ka tsy tena hita fototra izay ilaina azy, na manao asa mifanontona amina « organismes » hafa fa mandany volam-bahoaka fotsiny.

Ilaina ny fahaiza-mitantana, hoy i Andry Rajoelina, ka hofoanana ireo « organismes rattachés » tsy ilaina, sy ireo « subventions » mihoapampana avy amin’ireo ministera isan-tokony ho an’izy ireny. Miisa 211 ankehitriny izy ireo, ary mandany vola mitentina 1319 miliara Ariary isan-taona.

 

Publié dans Tselatra

Nandritra ny filankevitry ny minisitra androany no nandraisana ny didim-panjakana manendry an-dRajohnson Olivier Hugues Rija ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina eo anivon’ny Repoblika Frantsay (Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès de la République Française).

Banga io toerana io hatramin’ny taona 2008, taorian’ny nahafaty an’i Narisoa Rajaonarivony.

Rajohnson Olivier Hugues Rija no ambasadaoro faha-9 misahana io andraikitra io hatramin’ny taona 1960, niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.

Publié dans Tselatra

Notendrena nandritra ny filankevitry ny minisitra androany ireo mpikambana vaovao miisa 10 mandrafitra ny Filankevi-pitantanan’ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy (JIRAMA).

 

Publié dans Tselatra

Voatendry ho Masoivohom-pirenena, misolon-tena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO (Ambassadeur, Déléguée Permanente de Madagascar auprès de l’UNESCO) ao Paris – Frantsa i Yvette SYLLA, vady navelan’ny praiminisitra teo aloha sady efa filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha Jacques Sylla.

Efa minisitry ny raharaham-bahiny i Yvette SYLLA, efa minisitry ny varotra ihany koa. Solontenan’ny filohan’ny Repoblika teo anivon’ny Filankevitra maharitry ny Frankôfônia. Farany teo, dia mpandrindra ankapobeny ny vaomiera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, nisahana ny fitsidihana masina nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara.

Mpampianatra tantara eny amin’ny anjerimanontolo i Yvette SYLLA, ary filoha nasionalin’ny antoko « Madagasikara Mandroso ».

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Voatendry, nandritra ny filankevitry ny minisitra androany, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny Repoblikan’i Maorisy (Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès de la République de Maurice) ny jeneraly misotro ronono teo anivon’ny Tafika Malagasy, Albert Camille VITAL.

Publié dans A la Une
Page 1 sur 2