Filtrer les éléments par date : dimanche, 22 septembre 2019

Lalao telo indray no vita androany, andro fahatelo, amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny taranja baolina lavalava, tanterahina any Japon.

35 noho 3 no nandresen’i Angletera an’i Tonga. Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 47 noho 22 i Italia nanoloana an’i Namibia. 27 noho 3 ihany koa no nisarahan’i Irlandy sy Ecosse.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Nivadika ho fifanandrinana mivantana eo amin’ny minisitry ny fitsarana Randrianasolo Jacques sy ny Talen’ny « Bureau des doléances » eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, Rakotomanana Richardson ny tsy fanatanterahana didim-pitsarana mikasika ady tany tao Sambava.

Nitarika delegasiona namita iraka mikasika ady tany tao Sambava ny Talen’ny « Bureau des doléances » eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Nisy fihaonana mikaton-trano nifanaovan’ny iraka tamin’ireo nahazo rariny teny amin’ny Fitsarana, mikasika ny ady tany, ny zoma 20 septambra teo. Vahaolana hafa no naroson’ny iraka avy amin’ny Prezidansa fa tsy ny fampiharana didim-pitsarana.

Publié dans Politique
dimanche, 22 septembre 2019 19:00

Prezidansa: Lasa vehivavy, misolo vehivavy ?

Nivoaka an-gazety tamin’ity herinandro ity fa dia hiova andraikitra i Stéphanie Delmotte, ka tsy ho Talen’ny kabinetra sivily ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika intsony. Mbola niatrika filankevitry ny minisitra anefa izy tamin’ny alarobia teo.

Publié dans A la Une
dimanche, 22 septembre 2019 17:17

Kitra CHAN: Madagasikara 1 - 0 Namibia

Nivoaka mpandresy tamin’ny isa tokana 1 noho 0 ny Barea an’i Madagasikara nanoloana  Brave Warriors Namibiana tamin’ny lalao mandroso notanterahina tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina androany alahady 22 septambra 2019, hiadiana ny tapakila ho an’ny Cameroun amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ifaninanan’ireo ekipam-pirenena rafetin’ireo mpilalao milalao ao an-taniny na CHAN 2020.

Publié dans Sport

Hotanterahina eny Nanisana rahampitso alatsinainy 23 septambra 2019 maraina ny fisarihana handaharana ireo kandida ao anaty bileta tokana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna hatao amin’ny 27 novambra 2019.

Miisa dimy ny kandida eto Antananarivo Renivohitra, dia Rakotoarisoa Faniry Alban (APM), Naina Andriantsitohaina (IRD), Randriamasinoro Tahiry Ny Rina (TIM), Ralaiarimanana Elias (Tsy miankina) ary Feno Harison (Tsy miankina).

 
Publié dans Tselatra
dimanche, 22 septembre 2019 10:32

Sambava: Hanorenana fonja vaovao

''Tafiditra ao anaty velirano ny filoham-pirenena dia ny fametrahana ny fandriam-pahalemana manerana ny Nosy, satria raha goragora ny fonja dia mbola ho afaka hirehareha ireo mpanao ratsy, isika koa anefa dia mandala izany fanajana ny zon'olombelona izany nefa ny ao amin'ny fonja Antalaha dia efa tafakatra roa arivo mahery raha tokony ho 285 no zakany. Na dia nania aza izy ireny dia olombelona tahaka isika ihany ka ny fitondrana mijoro amin'izao dia manaja izany zon'olombelona izany'', hoy ny Minisitry ny fitsarana Randrianasolo Jacques, izay tonga niatrika ny fametrahana ny vatofehizon’ny fanorenana fonja eto Sambava.

Publié dans Sociale

22 Septembre: Journée mondiale de sensibilisation à la leucémie myéloïde chronique.

 

Publié dans Fil info
dimanche, 22 septembre 2019 10:26

22 Septembre: Journée Mondiale sans voiture

22 Septembre: Journée Mondiale sans voiture.

 

Publié dans Fil info
dimanche, 22 septembre 2019 10:14

22 Septembre: Journée mondiale du rhinocéros

22 Septembre: Journée mondiale du rhinocéros.

 

Publié dans Fil info

« Ordre du Mérite de Madagascar », io no mari-boninahitra natolotry ny Fanjakana an’i Ali Botralahy ho fankasitrahana azy tamin’ny nahavoahosotra an’ity tovolahy ity ho tompondaka erantany amin’ny famakiana tsianjery ny boky masina « Korany », nandritra ny fifaninanana natao tany Arabia Saodita.

Ny minisitry ny Ati-tany, Razafimahefa Tianarivelo, no solontenam-panjakana nanolotra ny mari-boninahitra, teto Antsiranana ny sabotsy 21 septambra 2019, notronon’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine, sy olomanankaja maro.

Mpianatry ny oniversite Antsiranana i Ali Botralahy, avy ao Soafeno. 20 taona ny tovolahy, tamin’ny taon-dasa 2018 izy no nahazo mari-pahaizana bakalôrea ary « Mention Assez-bien ».

Publié dans Art et Culture