Filtrer les éléments par date : mercredi, 15 janvier 2020

Mandalo eto Morondava renivohitr’i Menabe ny sambo mpitondra mpizahatany « Senerissima ». 136 ny mpandeha entiny ka mpizahatany ny 76 amin’ireo, ary mpikarakara azy ireo 60 satria misy efa antitra.

Hitsidika ny « Allée des Baobabs » sy ny alan’ny Kirindy izy ireo amin’izao diany eto Menabe izao. Avy any Mahajanga ireto vahiny ireto no tonga eto Morondava, ary mbola hiazo an’i Toliara aorian’izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie

Nanentana sady nitondra fanabeazana ho an’ireo mpivarotra amoron-dalana eny Mahamasina sy ny manodidina ireo Polisy avy ao amin’ny koamisarian’ny Boriborintany fahadimy etsy Mahamasina, mahakasika ny arabe izay natao ho an’ny fiara ary ny « trottoir » ho an’ny mpandeha tongotra.

Nambara tamin’ireo mpivarotra amoron-dalana fa mila manatona ny Kaominina izy ireo amin’ny toerana izay azon’izy ireo hivarotana fa tsy eny amoron-dalana.

Hoesorin’ny Polisy avokoa ireo mpivarotra amoron-dalana tsy manara-dalàna manomboka amin’ny herinandro ho avy io eny amin’ny faritry Mahamasina sy ny manodidina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Efa hiditra ny faha 90 andro izao no nitrangana fidinana an-dalambe tany Liban, fa niavaka kely omaly satria dia teo anoloan'ny banky foibe libanais no nitrangan'ny sakoroka.

Nisy tanora namaky mihitsy ny fitaratry ny banky foibe.

Ny fidanganan'ny vola dolara sy ny kolikoly ataon'ny fitondrana no anton'izao fidangan'ny vidim-piaianana izao hoy ireto mpitokona.

Maty noana izahay hoy ny hafa, ny vidim-piainana efa tsy zaka, ny karama nidina vaky sasaka, ny mofo efa tsy voavidy. Feran'ny banky amin'izao ny fakana vola noho ny tsy fahampian'ny vola dolara.

Hatreto moa dia mbola tsy mety voatsangana ny governemanta libanais, ary efa mangataka ny ialan'ireo mpitondra ny mponina mitokona.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Efa ampolo-taonany izao, vao avy ny orana dia dibo-drano ny eto Andohanimandroseza, Antananarivo.

Mijaly ny mponina tsy misy mijery, tsy azo aleha intsony ny lalan-kely mihazo ny trano fonenana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
mercredi, 15 janvier 2020 08:51

Fambolen-kazo: Ho Tany maitso i Madagasikara

Malaza moa ny hoe "Madagascar l'Ile rouge", satria dia tany mena avokoa ny toerana rehetra, kaohon'ny riaka daholo ny havoana, mamovoka ny toerana rehetra, mirongatra ny aretina samihafa entin'ny voalavo sy biby samihafa.

Maro ireo ala harovana, fa mifandona amin'ny fahantran'ny mponina, ka lasa toerana fihariana, na fambolena, na fihazana, na fitrandrahana harena ankibon'ny tany, na lasa fanaovana harina fandrehitra, saribao sy kitay. Ao koa anefa ny filana hanaovana trano, toy ny bois rond, bois carré sy planche.

Ao no misy ny harena sarobidy toy ny bois de rose, bois d'ébène, palissandre sy ny maro hafa. Ao ny fanaovana fanafody.
Ary ao ny toeran'ny biby tsy fahita maneran-tany. Ao ireo toerana mananan-tantara sy vakoka, ary ara-kolotsaina. Ao ireo mampidi-bola amin'ny fizahantany.

Publié dans Editorial
Page 2 sur 2