Filtrer les éléments par date : mardi, 28 janvier 2020

Ny Banky foibe, arakaraky ny politikam-bola apetrany, mba tsy ampitotongana ny sandam-bola Malagasy mihoatra amin'ny vola vahiny, arakaraky ny fidangan'ny vidim-piainana sy ny toe-karena, arakaraky ny politika apetrany amin'ny famatsiam-bola sy ny fampiasam-bola dia mametraka ny antsoina hoe "Taux directeur", na sandan'ny fampindramam-bola.

Ny Banky Foibe dia tsy Banky mpampindram-bola, fa misahana ny fandrindrana ny vola. Ireo samy banky mpikirakira volan'ny mpanjifa, na Banque primaire, na ireny Banky hitatsika isaky ny sisin-dalana ametrahana sy hakana vola ireny, no misahana ny fampindramam-bola.

Misy anefa izy ireny, tsy ampy ny eo an-tanany dia mifampindram-bola izy samy banky, na rehefa tena tsy manana ireo, dia afaka mindrana amin'ny Banky Foibe ihany izy ireo, fa fotoana fohy, ka io Taux directeur io no sandan'ny fitrosana ataony amin'ny Banky foibe.

Ry zareo samy banky kosa dia mifampindrana ambany kely noho io, fa ny banky kosa rehefa ampindrana amin'ny mpanjifa, na amin'ny orin'asa dia maka tombony, mampindram-bola ambonin'io Taux directeur io.

Publié dans Editorial

Raha ny tarehimarika navoakan'ny Banky Foiben'i Madagasikara dia 4.85% ny fisondroty ny vidim-piainana ny volana novambra 2019, raha kajiana nanomboka ny taona 2016.

 

 

Publié dans Economie

Raha tsy nitsahatra niakatra hatrany ny sandan'ny fanakalozana ny vola Ariary mihoatra amin'ny Euro sy Dollar nanomboka ny fiandohan'ny taona 2020, izay 4015.29 Ariary ny 1 Euro, ny 27 desambra 2019, niakatra hatrany amin'ny 4 115.87 Ariary izany ny 16 janoary, ary nidina ho 4 014.54 Ariary izy ny alatsinainy 27 janoary 2020.

Ny dolara USD kosa dia 3 645.73 Ariary omaly 27 janoary 2020.

 

 

Publié dans Economie

Niainga tamin’ny fitoriana mikasika fahaverezana cyclo-pousse tamin’ny 13 janoary ny fikarohana nataon’ny Polisy. Fahitana seza tamina cyclo-pousse iray hafa miasa eto an-drenivohitry ny Faritra Menabe no nitarika ny fahitana ireo mpangalatra.

Nitohy tamin’ny fisavana trano teny Morafeno Bemanonga ny fikarohana ka nahitana entana mampiahiahy maro ankoatra ilay cyclo-pousse nokarohina rehefa nisy nangalatra.

Lehilahy roa no voasambotra tamin’izao halatra izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao