Filtrer les éléments par date : jeudi, 30 janvier 2020

Nisy fiakarany 200 Ar isaky ny kilao ny vary sy ny siramamy eto Maevatanana, tsy nisy fiovany kosa ny vidin'ny lafarina.

 

Publié dans Economie

Ambohitrimanjaka sy ny fanatanterahana ny tetikasa Tana-Masoandro avy hatrany no mby tao an-tsain’ny maro vao nandre omaly ny namoronana ministera iray misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram- ponenana, ka nanendrena an’i Zasy Angelo, hitantana an’izany ministera izany.

Nahitsy ny tenin’ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny filankevitry ny minisitra voalohany omaly, andro nananganana ny governemanta faharoa hanatanteraka ny IEM, fa matoa natao mitokana ny minisitra lefitra misahana ny fanorenana tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana dia ilaina ny fanafainganana sy ny fandrindrana ny asa ho haingana kokoa ary mila vokatra mivaingana.

Publié dans Politique

Nanome toromarika ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, fa dia vitaina anio alakamisy sy rahampitso zoma ny fifamindrampahefana  eo amin’ireo minisitra teo aloha sy ireo vao niditra, ary mila mandray andraikitra avy hatrany ireo minisitra rehetra mandrafitra ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Christian Ntsay.

 
Publié dans Tselatra

Azo atao ankehitriny ny mandoa hetra amin’ny alalan’ny finday, na MVola na Orange Money na Airtel Money.

Mbola ny eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ihany anefa aloha no misitraka io fomba fandoavam-bola io fa mbola miandry ny any amin'ny faritra hafa.

Tsy misy sarany kosa fa maimaim-poana ny fandoavan-ketra amin'ny alalan'ny finday.

 
Publié dans Economie

Hiato vonjimaika manomboka ny 1 febroary ka hatramin’ny 1 martsa 2020 ny sidin’ny Air Madagascar  miazo an’i Guangzhou. Noraisina ny fepetra manoloana ny fisian’ny valan’aretina « coronavirus » mamono olona maro any Chine.

Nanome toromarika hentitra ny governemanta ny filohan’ny Repoblika nandritra ny filankevitry ny minisitra voalohany omaly, fa mila apetraka sy hamafisina ny fanaraha-maso ny sisin-tany manoloana ny fihanaky ny valan’aretina avy any Chine ary hamafisina izany manerana ireo seranana rehetra na seranan-tsambo na seranam-piaramanidina.

 
Publié dans Tselatra

Tontosa androany maraina ny famindram-pahefana teo amin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, sady nisahana vonjimaika ny asa aman’andraikitry ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny lehiben’ny diplaomasia malagasy vaovao, Dr Tehindrazanarivelo Djacoba Liva.

Naneho ny fahovononany amin’ny hanamafisana orina ny diplaomasia Malagasy ka nanamafy fa tsy handraraka ilo mby an-doha amin’ny andraikitra ankinina aminy Dr Tehindrazanarivelo, ary nankasitraka ny Praiminisitra tamin’ny fitantanana ny ministera.

Publié dans Politique

DIDIM-PANJAKANA LAHARANA FAHA 2020 -70 ROAPOLO SY ROA ARIVO TSIPIKA FITOPOLO

Anendrena ireo mpikambana ao amin'ny Governamanta

Publié dans A la Une

Notanterahina teny amin'ny Carlton Anosy, ny talata 28 janoary teo ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fadin-tseranana, izay notarihin'ny minisitry ny vola. Maro ireo olona nasaina nanatrika izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie