Filtrer les éléments par date : dimanche, 23 février 2020
dimanche, 23 février 2020 19:57

Le Brexit touchera t-il Madagascar ?

L’Europe est en pleine contradiction, plus particulièrement la France qui veut maintenir à tout prix la Politique Agricole Commune (PAC) dans un budget européen revu à la baisse à cause du Brexit. Cette diminution sera de 7 milliards d’Euros par an, ainsi le président français va devoir convaincre les pays du nord de l'Europe de compenser le départ des Britanniques, mais les Pays-Bas, la Suède, le Danemark, l'Autriche, et dans une moindre mesure l'Allemagne, sont réticents.

Chaque responsable étatique a donné des priorités. La PAC est pour eux une mesure dépassée, ils préféreraient que l'Europe mette l'accent sur des politiques plus modernes comme le numérique ou la lutte contre le réchauffement climatique. Après le départ du Royaume-Uni le 31 janvier, voilà l’Europe, en pleine cacophonie, n’arrive pas à se mettre d‘accord pour son budget !

Publié dans Politique
dimanche, 23 février 2020 18:26

Madagascar-France: Le grand écart

Le passage du ministre français des Affaires Etrangères Jean-Yves Le Drian à Antananarivo reflète le jeu du « grand écart » de la diplomatie française à Madagascar. Même si la question n’a jamais été abordée le passage du numéro UN du Quai d’Orsay est avant tout la préparation de la visite du président Emmanuel Macron en juin prochain lors de la commémoration des 60 ans du retour de l’indépendance de Madagascar.

Pour le Chef de l’Etat français, cette présence est symbolique comme pour affirmer ce qu’il a dit, la « Colonisation est une faute de la République (française) » (en Côte d‘Ivoire), et la « Colonisation est un crime contre l’humanité » (en Algérie), oui mais… Dire que les îles Glorieuses sont la « France » n’est-il pas une contradiction ? Pour cette raison nous affirmons que la France fait le grand écart !

Publié dans Editorial

Tafiditra amin’ny famahana ny olana mianjady amin’ny lafiny mahaolona ho an’ireo mpiasan’ny KRAOMA (Kraomita Malagasy) ny fahatongavan’ny haraton’aina ho an’ireo mpiasa tany an-toerana ny Zoma 21 febroary 2020.

Vary 25 taonina, menaka 500 litatra, labozia 1000 isa sy savony 1500 isa, tolo-tanana avy amin'ny tsara sitrapo ho an’ireo mpiasan’ny KRAOMA no tonga tao Brieville Distrikan’i Tsaratanana, ka mpiasa 500 mahery sy ny ankohonan’izy ireo avy no hisitraka an’izany.

Nanambara ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Ravokatra Fidiniavo fa tsy maintsy hirosoana ny fepetra fanarenana ny orinasa Kraomita Malagasy na dia eo aza ny fahasahiranana atrehina amin’ny fiaraha-miombon’antoka. Mila ny mpiasa hitondra ny traikefany sy ny fangaharaharan’ny fitantanana anefa izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Resin’i Maroc tamin’ny isa 2 noho 1 i Madagasikara androany, tamin’ny lalao fifanintsanam-bondrona atrehiny amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena « Coupe Arabe U20 » atao any Arabia Saodita.

Nirava ady sahala 0 noho 0 ny ekipa roa tonta teo ampialan-tsasatra. Nitarika an’isa ny Maraokana teo amin’ny minitra faha-50 ny fizarana faharoa. Nosalahain’i Arnaud, kapiteny, ny isa teo amin’ny faha-75 minitra. Nahazo penalty i Maroc minitra vitsy tsy hifaranan’ny lalao ary tafiditra ny baolina ka nitondra ny fandresena ho an-dry zareo Maraokana.

Fandresena iray nanoloana an’i Djibouti, ary faharesena roa nanoloana an’i Bahreïn sy Maroc no vokatra azon’ny Barea U20 tamin’ireo lalao telo nataony tamin’ity « Coupe Arabe U20 », vokatra izay tsy ampy hanohizany ny dia.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Misy ny Sampan-draharaha iadiana amin'ny fakàna an-keriny na ny "Brigade anti-kidnapping (BAK)" eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Manana birao manokana etsy amin’ny toby « Jeneraly Richard Ratsimandrava » ny BAK. Notokanana ny 21 febroary 2020 ny trano fiasany.

Nilaza ny Jeneraly Richard Ravalomanana, Sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena (SEG) fa ity "BAK" dia toy ny "Centre opérationnel stratégique" manangona ny vaovao rehetra sy manao ny fandalinana ary manome toromarika amin'ny asan'ireo mpanao famotorana miantsehatra.

Tsy hianona amin’ny fanenjehana fotsiny ny asa ho atao, hoy izy, fa hanao ny fisorohana, ny fandinihina mahakasika ireo trangan-javatra ireo, ary ahafahana manao hetsika haingana indindra raha misy tranga fakana an-keriny.

Publié dans Vaovao

Nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny seranam-piaramanidina vaovao eny Ivato ny Minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetrandro Randriamandranto Joël sy ny solotenan'ny Banky Iraisam-pirenena omaly.

Maherin’ny 90% ny asa fananganana no vita ary efa ho tokanana atsy ho atsy ity fotodrafitrasa lehibe, natomboka tamin’ny taona 2015 ity.

Mivelatra amin’ny velarantany 17 000 m² ny seranana vaovao, ary afaka handray mpandeha hatrany amin’ny 1,5 tapitrisa isan-taona.

Isan'ny tetikasa lehibe hotanterahina hatramin'ny 2023 ny fanitarana ireo seranam-piaramanidina 10 lehibe eto Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Notoloran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena Jeneraly Richard Ravalomanana mivady mari-pakasitrahana ireo zanaka zandary mendrika tamin’ireo fanadinana ara-panjakàna nandritra ny taom-pianarana 2018-2019.

« Mila olona mahay any amin’ny sehatra misy azy avy ny firenena mba hampandroso azy, fa tsy olona ahazo asa araky ny kolikoly », hoy ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Nampirisika ny ankizy hianatra, hiezaka, hahay tsara ny tenany satria reharehan’ny ray aman-dreny ny manana zanaka mahay.

Notanterahina tao amin'ny Akany FIVAZA Betongolo ny lanonana mikasika izany ny sabotsy 22 febroary 2020.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Mandalo tsy fahasalamana i Tabera Randriamanantsoa, minisitry ny Asam-panjakana tamin’ny tetezamita iraisana, ary Filoha nasionalin’ny antoko Kintana. Tsaboina ao amin’ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana izy ankehitriny.

Mafimafy ny aretiny, hoy ny fianakaviana akaiky azy ary mety halefa atsy amin’ny nosy Maorisy ny fanohizana ny fitsaboana, ka iantsoan’izy ireo tolo-tanana avy amin’ny tsara sitrapo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
dimanche, 23 février 2020 16:58

23 février

Journée mondiale pour sauver les ours.

 

Publié dans Fil info