Politique

    • lundi, 23 septembre 2019 12:23
    • Njaka
    • Sary Njaka

    OVEC Nanisana: Antsapaka amin'ny laharana bileta tokana

    Fifidianana Ben’ny tanàna Antananarivo renivohitra: N°1: Ralaiarimanana Elias (Tsy miankina);N°2: Randriamasinoro Tahiry Ny Rina (TIM);N°3: Rakotoarisoa Faniry Alban (APM);N°4: Naina Andriantsitohaina (IRD);N°5: Feno Harison (Tsy miankina). (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 22 septembre 2019 19:03
    • Britto
    • Sary nindramina

    Tsy fanatanterahana didim-pitsarana: Vaky ny ady eo amin’ny Minisitry ny Fitsarana sy ny Talen’ny « Bureau des doléances » Prezidansa

    Nivadika ho fifanandrinana mivantana eo amin’ny minisitry ny fitsarana Randrianasolo Jacques sy ny Talen’ny « Bureau des doléances » eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, Rakotomanana Richardson ny tsy fanatanterahana didim-pitsarana mikasika ady tany tao Sambava. Nitarika delegasiona namita iraka mikasika ady tany tao Sambava ny Talen’ny « Bureau des doléances » eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Nisy fihaonana mikaton-trano nifanaovan’ny iraka tamin’ireo nahazo rariny teny amin’ny Fitsarana, mikasika ny ady tany, ny zoma 20 septambra teo. Vahaolana hafa no naroson’ny iraka avy amin’ny Prezidansa fa tsy ny fampiharana didim-pitsarana.
    Lire la suite ...
    • samedi, 21 septembre 2019 13:45
    • Britto
    • Sary nomena

    Antsiranana: Lanonana fametrahana samboadin’ny solombavam-bahoaka

    Notanterahina teo amin’ny Place Ritz eto Antsiranana androany 21 septrambra 2019 ny lanonana fametrahana ny samboadin’ireo solombavam-bahoaka voafidy tato amin’ny Faritra DIANA. Miisa enina mianadahy izy ireo no nametrahana samboady maha olom-boafidy, dia ireo roa voafidy teto Antsiranana I, sy iray avy voafidy tao Antsiranana II, Ambilobe, Ambanja ary Nosy-Be.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 20 septembre 2019 12:03
    • Britto

    Demande d’avis sur la conformité de la création d’une fondation par le Président de la République

    Avis n°09-HCC/AV du 20 septembre 2019 relatif à une demande d’avis sur la conformité de la création d’une fondation avec l’article 49 de la Constitution. la Haute Cour Constitutionnelle émet l’Avis que : Article premier.- La création d’une fondation par le Président de la République n’est pas contraire à l’article 49 de la Constitution. Article 2.- Le Président de la République ne doit exercer aucune fonction au sein de cette fondation. Article 3.- La fondation doit respecter scrupuleusement son objectif d’intérêt général et doit être dissociée de toute connotation politique. Article 4.- Le présent Avis sera notifié au Président de la République, et publié au Journal officiel de la République.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 19 septembre 2019 13:18
    • Britto
    • Sary nindramina

    Sabotsy Namehana: Nametram-pialana tsy ho Ben'ny Tanàna i Avotraina Andriamosa

    Nirotsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna eto Sabotsy Namehana, Distrika Antananarivo Avaradrano, amin’ny fifidianana hatao ny 27 novambra 2019 i Avotraina Andriamosa. Ben’ny tanàna amperin’asa ity farany. « Manaja lalàna ny tenako » hoy izy, ka « nametram-pialana tsy ho Ben'ny Tanànan’i Sabotsy Namehana ary nanolotra ny fahefana feno ho an'i Théophile ». Notanterahina ny harivan’ny alarobia 18 septambra 2019 ny famindram-pahefana, ary dia nisaotra ireo rehetra mpiara-miasa taminy nandritra izay efa-taona niasana izay i Avotraina Andriamosa. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 18 septembre 2019 21:15
    • Britto
    • Sary nindramina

    Yvette SYLLA: Voatendry ho Ambasadaoro eo anivon’ny UNESCO ao Paris

    Voatendry ho Masoivohom-pirenena, misolon-tena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO (Ambassadeur, Déléguée Permanente de Madagascar auprès de l’UNESCO) ao Paris – Frantsa i Yvette SYLLA, vady navelan’ny praiminisitra teo aloha sady efa filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha Jacques Sylla. Efa minisitry ny raharaham-bahiny i Yvette SYLLA, efa minisitry ny varotra ihany koa. Solontenan’ny filohan’ny Repoblika teo anivon’ny Filankevitra maharitry ny Frankôfônia. Farany teo, dia mpandrindra ankapobeny ny vaomiera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, nisahana ny fitsidihana masina nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara. Mpampianatra tantara eny amin’ny anjerimanontolo i Yvette SYLLA, ary filoha nasionalin’ny antoko « Madagasikara Mandroso ». (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 18 septembre 2019 12:24
    • Njaka
    • Sary Njaka

    Tetik'asa FANOA: Manara-maso ny fiainam-pirenena sy ny fifidianana

    Mijery akaiky amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana, ary ihany koa mijery ireo lesoka isan-karazany hanamorana ny fanisàna ny FANOA. Nambaran'ireo tompon'andraikitra ihany koa ny tokony hanaovana ny karapanondrom-pirenena ho biometrika mba ahafahana mandrafitra ny lisim-pifidianana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 16 septembre 2019 14:56
    • Britto

    Depiote kandida Ben’ny tanàna: Afaka miverina depiote raha tsy voafidy ho Ben’ny tanàna

    Moana ny lalàna manoloana ireo solombavambahoaka mirotsaka hofidiana Ben’ny tanàna ka tsy voafidy, nefa mbola anatin’ny fe-potoana iasany. Ny hany ambaran’ny Lalampanorenana, ao amin’ny andininy faha-71, dia tsy azo ampirafesina amin’ny asam-panjakana, na olom-boafidy hafa ankoatra ny asa fampianarana ny maha solombavambahoaka. Azo atao didy fakan-tahaka anefa ny tranga tao Fianarantsoa tamin’ny 2015. Solombavambavambahoaka amperinasa voafidy tao Ambatofinandrahana, Faritra Amoron’i Mania, avy amin’ny MAPAR, Razanamahasoa Christine, no narotsak’io vovonana politika io ho kandida Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambonivohitr’i Fianarantsoa tamin’ny fifidianana natao ny 31 jolay 2015.
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 septembre 2019 20:29
    • Britto
    • Sary Njaka

    Fifidianana kaominaly: Henika kandida Ben’ny tanàna ny Kaominina rehetra

    Misy kandida mpirotsaka fidiana ho Ben’ny tanàna avokoa ireo Kaominina miisa 1 695 manerana ny Nosy. 6129 ny isan’ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana voaray teny anivon’ireo OVEC (Organe de Vérification et d'Enregistrement des Candidatures) miisa 119. Kaominina roa ao anatin’ny Distrikan’Ambatondrazaka, dia Antsangasanga sy Amparihitsokatra, amin’ireo Kaominina miisa 1 695 manerana ny Nosy kosa no tsy nisy firotsahan-kofidiana ho mpanolontsain’ny tanàna voaray teny anivon’ny OVEC. Miisa 4 609 ireo antotan-taratasy firotsahan-kofidiana voaray, izay mitsinjara amin’ireo Kaominina 1 693.
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 septembre 2019 17:00
    • Njaka
    • Sary Njaka

    CENI: Namoraina ny fandraisana ny taratasim-pirotsahana kandida Ben'ny Tanàna

    Tapitra tamin'ny 12 septambra lasa teo ny fe-potoana farany nametrahana ny antotan-taratasy amin'ny fifidianana ben'ny tanana sy ny mpanolontsainan'ny tanana, izay atao amin'ny 27 novambra ho avy izao, teny anivon'ny OVEC manerana ny Madagasikara. Hita taratra fa dia malaindaina ihany ny taha-pavitrihina ho an'ireo kandida, nefa tamin'ny andro farany vao tonga ny atotan-taratasy amin'arivony maro.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 97