Mandroseza: Amboarina manarapenitra ny tsena hoy i Lanto Rakotomanga

  • samedi, 18 mai 2019 12:45
  • Tigre
  • Sary nomena

Mandroseza sy Volisarika indray ny notsidihan'i Lanto Rakotomanga sy ny mpiaradia aminy. Nitafa sy niresaka tamin'ireo mponina tety an-toerana, nampahafantatra ny programa hampihariny ary nijery ny fahorian'ny vahoaka.

Hataotsika manarapenitra ny tsenan'i Mandroseza hoy i Lanto Rakotomanga, kandida eto amin'ny Boriborintany faha II, mitondra ny laharana 01.

Teo koa ireo mpanasa lamba izay mitaraina amin'ny tsy fandehanan'ny rano, ho jerena akaiky izany ary hamboarina farany izay haingana hoy hatrany izy.

Tsy maintsy ampandrosoina ity Boriborintany faha II ity, ary tsy maintsy hatao modely hoan'ny boriborintany rehetra, koa andao hiara-hientana, andao hiara-hiasa isika hoy i Lanto Rakotomanga.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.