Madagasikara: Miandry ny vokatra azo tsapain-tanana avy amin’ny SADC

  • mardi, 20 août 2019 19:21
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Notanterahina tany Dar Es Salaam – Tanzania nandritra ny roa andro, ny 17 sy 18 aogositra 2019 ny fivoriana ara-potoanan’ny filoham-pirenena sy filoham-panjakana afrikanina mpikambana ao amin’ny vondrona SADC.

Niatrika izany fivoriana an-tampony faha-39 ny Vondrona SADC izany ny filoha Andry Rajoelina ary nanana anjara fitenenana nandritra ny lanonam-panokafana ity fihaonambe ity.

Ampy nahafantaran'ireo mpitondra fanjakana eto Afrika mikambana ao amin'ny SADC fa miditra amin'ny fanavaozana ho amin'ny fampandrosoana i Madagasikara, hoy ny filoha Rajoelina. Miaraka amintsika ny SADC ary vonona ihany koa Madagasikara ny hiara-hiasa sy hifanolo-tanana amin'ireo firenena Afrikana hanandratra an'i Afrika.

Notsindriany manokana fa ny fivoriana tahaka itony dia miandry vokatra azo-tsapain-tanana mba hitondra fampandrosoana marina sy maharitra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.