Kaominina: Manohy ny asany ireo Ben’ny tanàna sy Mpanolontsaina, hoy ny HCC

  • jeudi, 22 août 2019 16:37
  • Zakaria

Namoaka ny heviny (Avis n°08-HCC/AV) ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana androany 22 aogositra 2019 taorian’ny taratasy nalefan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Ntsay Christian, tamin’ny 19 aogositra 2019, manontany ny HCC ny tokony hatao mandram-pahatonga ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina.

Nanazava ny HCC fa tapitra amin’ny 18 septambra 2019 ny fe-potoana iasan’ny Ben’ny tanàna, ary tsy miankina amin’iireto farany ny fanemorana ny fifidianana. Mangina tsy ahitana rijan-teny rahateo, na ny Lalampanorenana, na ny lalàna, manoloana io fahabangana io. Ny asam-bahoaka anefa mila mitohy.

Nilaza ny heviny ny HCC fa manohy ny asany ireo Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina mandram-pifidy ireo Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina vaovao. Tsy mahasolo Ben’ny tanàna tapitra fe-potoana iasana ny fametrahana mpisolotoerana, hoy hatrany ny HCC.

Toy ny mametra-pialana avy hatrany kosa ireo Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina mirotsaka hofidiana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.