Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo: « Tsy manana eritreritra hamerina ny fanadinana Bakalorea ny governemanta »

  • vendredi, 04 octobre 2019 22:39
  • Zakaria

Nitondra fanazavana mikasika ny fivoahan’ny laza adina Bakalorea nialoha ny fotoana, sy ny savorovoro naterak’izany, tao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy (RNM) io hariva io, ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, sady mpitondratenin’ny governemanta, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Nandritra izany no nilazany fa « Tsy manana eritreritra hamerina ny fanadinana Bakalorea ny governemanta ».

Niaiky i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo fa nisy ny fivoahan’ny laza adina Bakalorea nialoha ny fotoana, ary Faritra miisa 8 amin’ny 22 no voakasik’izany. Nanipika mazava ny minisitra fa « tsy ny taranja rehetra no nivoaka alohan’ny fotoana ».

Nanamafy ny voalazan’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Pr Blanche Nirina Richard ny mpitondratenin’ny governemanta nilaza fa « misy finiavana hanao fanakorontanana ny Bakalorea ». « Efa nandray andraikitra ny fanjakana », hoy i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo ary « mandeha, efa lasa lavitra sy lalina ny fanadihadiana ».

Natsidikin'ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina nandritra ity fandaharana manokana tao amin’ny RNM ity, fa hiteny amin’ny vahoaka malagasy ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina amin’ny alahady 6 oktobra 2019 izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.