Moramanga: Nampahafantarina androany ny Governoran’Alaotra Mangoro, Dr Richard Ramandehamanana

  • jeudi, 10 octobre 2019 21:25
  • Zakaria

Nototosaina teto Moramanga androany alakamisy 10 oktobra 2019 ny lanonana nametrahana amin’ny toerany ny Governora vaovaon’ny faritra Alaotra Mangoro, Dr Richard Ramandehamanana. Nitarika ny lanonana teto an-toerana ny Tale jeneraly misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena, Augustin Andriamananoro.

Efa lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro tamin’ny tetezamita i Dr Richard Ramandehamanana. Tale lefitry ny fampielezan-kevitry ny Komity mpampandany ny “ENY” izy, nanampy an’i Augustin Andriamananoro, nandritra ny fitsapankevi-bahoaka momba ny Lalampanorenana natao ny 17 novambra 2010.

Iray amin’ny Governora miisa 11 lahy notendrena nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin’ny 25 septambra 2019 i Dr Richard Ramandehamanana. Izy no hiandraikitra ny asa fampandrosoana an’Alaotra Mangoro.

Nanapa-kevitra ny filankevitry ny minisitra fa raha vao voatendry ny governora rehetra dia omena iray miliara Ariary isam-paritra hanaovany asa maika tahaka ny lalàna rarivato, ny tsena, sy ny fotodrafitrasa tena ilain'ny mponina andavanandro, ao anatin'ny telo volana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.