Fifidianana kaominaly: Tonga ny andiany voalohany amin'ireo taratasy sy fitaovana hampiasaina

  • lundi, 28 octobre 2019 13:38
  • Zakaria
  • Sary nomena

Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny marainan’ny alahady 27 oktobra 2019, tamin’ny 03ora30 ny fiaramanidina nitondra ny andiany voalohany amin'ireo taratasy sy fitaovana hampiasaina amin'ny fifidianana Ben'ny tanàna sy Mpanolotsaina ny 27 novambra ho avy izao, toy ny valopy lehibe sy ny fitanana an-tsoratra ny latsabato, rehefa avy natonta tao Afrika Atsimo.

Ny tetikasa SACEM (Soutien Au Cycle Electoral de Madagascar) niaraka tamin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana (PNUD), Vondrona Eorôpeana, Norvezy, USAID, Alemaina, Afrika Atsimo, Lafrantsa, Angletera, Korea Atsimo, Soisa ary Aostralia no namatsy vola ny fanontana printy, ny famonosana, ny fitaterana ireo fitaovana ireo tatsy Afrika Atsimo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.