Fifidianana Kaominaly: Kandida Ben’ny tanàna miisa efatra, kandida lohalisitra mpanolotsaina iray nindaosin’ny fahafatesana

  • lundi, 28 octobre 2019 22:49
  • Zakaria

Efatra tamin’ireo kandida Ben’ny tanàna miisa 6 275 neken'ny CENI amin’ireo Kaominina miisa 1 695 manerana an’i Madagasikara no namoy ny ainy, tsy mbola nanomboka akory ny fampielezan-kevitra. Avy ao amin’ny Distrikan’i: Toamasina II, Lalangina, Mampikony ary Ampanihy izy ireo.

Misy kandida lohalisitra mpanolontsaina iray, avy ao amin’ny Distrikan’i Mananjary ihany koa namoy ny ainy. Miisa 4 902 ireo lisitra mpanolontsaina hifaninana amin’ny fifidianana hotaterahina amin’ny 27 novambra 2019.

Nitondra fanazavana ny filoha lefitry ny CENI, Rakotonarivo Thierry, milaza fa manana zo hanolotra anarana ho solon’ny maty ireo antoko, na fikambanana na vondrona nanolotra ireo kandida. Alefa ampahafantarina mialoha any amin’ny CENI, na any amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana, izay mitsara ny raharaham-pifidianana kaominaly, ny anaran’izay hisolo ireo nodimandry.

Nanipika mazava Rakotonarivo Thierry fa tsy hisy fiovana ny sary amin’ny biletà tokana. Raha ilay kandida nodimandry voarakitra amin’ny bileta tokana anefa no voafidy amin’ny 27 novambra 2019, dia mandray ny toerany avy hatrany misolo azy ireo olona natolotra tany amin’ny CENI na Tribonaly misahana ny ady amin’ny Fanjakana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.