Governemanta: Efa amperinasa ny minisitry Ati-tany Razafimahefa Tianarivelo

  • samedi, 16 novembre 2019 15:30
  • Zakaria
  • Sary nomena

Nihaona tamin’ireo tompon’andraikitry ny fandriampahalemana manerana ny Nosy (OMC national), ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny zoma 15 novambra, teny amin’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny Anosy. Fivoriana izay nijerena manokana ny fiomanana amin’ny fanatontosana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpikambana eo anivon’ny filankevitra kaominaly na monisipaly, izay hotanterahina amin’ny 27 novambra 2019 ho avy izao.

Nandray anjara tamin’ity fihaonana ity ny minisitry Ati-tany Razafimahefa Tianarivelo, ity farany izay tratry ny tsy fahasalamana tampoka, naratra vokatry ny fianjerana avy eny amin’ny « tribune » raha nijery baolina tao amin’ny kianja monisipalin’Ambatolampy-Vakinankaratra ny alahady 3 novambra 2019. Nalefa avy hatrany notsaboina tatsy amin’ny nosy La Réunion izy ny harivan’io andro nahavoa azy io, avy eo nanohy ny fitsaboana tao amin’ny Polyclinique Ilafy-Antananarivo.

Ny tanjona tamin’ity fihaonana tetsy Anosy ity ny fiantohana ny fandriampahalemana, hahafahan’ny vahoaka misitraka ao anatin’ny fitoniana ny zo hifidy.

Nilaza ny Praiminisitra fa hahetsika avokoa ny mpitandro ny filaminana eran’i Madagasikara, mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana, ary hatao ho ampy ny isan’izy ireo.

Fanapahan-kevitra telo lehibe momba io fifidianana io no noraisina mifandraika amin’izany, ka ny voalohany dia ny fanatevenana ny isan’ny mpitandro ny filaminana, na aty an-drenivohitra izany na any ambanivohitra.

Ny faharoa dia ny fanamafisana ny fiarovana ireo toerana miantoka ny fanatanterahana ny fifidianana, izy ahiahiana hiharan’ny ankasomparana. Nanambaran'ny Praiminisitra fa tokony hanaraka ny didy aman-dalàna ny tsirairay, indrindra eo amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra. Efa madiva hifarana izany fotoana izany, hoy ny Praiminisitra, ka ilaina ny fametrahana lamina eo amin’ny fitandroana ny filaminana.

Ny fahatelo dia ny fanamafisana ny fanentanana ny vahoaka Malagasy mpifidy mba hijery mialoha ny toerana izay handatsahany vato.

Nanao antso avo tamin’ny vahoaka Malagasy ny Praiminisitra, mba tena hiatrika ny fifidianana sy hifidy an-kahalalahana satria iaraha-mahalala hoy izy fa fifidianana akaikin’ny vahoaka ny fifidianana Ben’ny tanàna.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.