Nosy Malagasy: Ireo mpidinika eny Andafiavaratra

  • lundi, 18 novembre 2019 15:21
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Miisa folo, miampy 02, ireo mpikambana ao amin’ny vaomiera iraisan’i Madagasikara sy Frantsa manao ny drafitra ny amin’ireo Nosy Malagasy. Manana mpikambana dimy miampy 01 i Madagasikara ary Frantsa manana 05, miampy ny ambasadoro frantsay maha 06 ny azy.

Ho an’i Madagasikara dia ahitana an’i

1-Christian Ntsay, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, izay mitarika ny delegasiona,
2-Profesora Raymond Ranjeva, mpahay lalàna isan’ny nandray anjara tamin’ny dinika tany amin’ny Firenena Mikambana,
3-Vice-Amiral Ranaivoseheno Louis Antoine de Pädoue, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena,
4-Capitaine de Vaisseau Randrianantenaina Jean Edmond, tale Jeneralin’ny APMF,
5-Dr Tehindrazanarivelo Djacoba Liva, mpampianatra lalàna iraisam-pirenena, ny lalàna afrikana any amin’ny Oniversite ny Suisse, izay efa nandray anjara tamin’ny famahana ireo olana maro taty Afrika.

Miampy an-dRatsimbazafy Soloherinaina Eric, « Chargé d'études et coordinateur du Centre d'études et d'analyses stratégiques » eo anivon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny. Tsy tao anaty lisitr’ireo anarana navoaka tamin’ny Filankevitry ny minisitra tamin’ny alarobia ny anaran’ity farany.

Ho an-dry zareo frantsay kosa dia ahitana an'i :

1-Marcel Escure, « Ambassadeur chargé de la coopération régionale dans l'océan Indien, Chef de la délégation »,
2-Rémi Marchaux, « Ministre plénipotentiaire, Directeur pour l'Afrique et l'océan Indien au sein du ministère de l'Europe et des Affaires étrangères »,
3-Arnaud Suquet, « Conseiller des Affaires étrangères, sous-directeur d'Afrique australe et de l'océan Indien à la direction d'Afrique et de l'océan Indien au sein du ministère de l'Europe et des Affaires étrangères »,
4-Didier Ortolland, « conseiller des Affaires étrangères, sous-directeur de la sous-direction du droit de la mer, droit fluvial et des pôles au Ministère de l'Europe et des Affaires étrangères »,
5-Jean Pierre Balcou, « Administrateur civil hors classe, sous-directeur des affaires juridiques et institutionnelles à la Direction générale des Outre-Mer au Conseil d'administration de l'Office français de protection des réfugiés et apatrides »
6-Christophe Bouchard, « Ambassadeur de France à Madagascar ».

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.