Andafiavaratra: Nankaiza i Raymond Ranjeva

  • mardi, 19 novembre 2019 09:33
  • Super User
  • Sary nindramina

Ny tsy tao anaty feuille de match indray izany no nilalao, fa ny andrarezina buteur ry Njeva tsy tao? Sa nahazo karatra mena, sa niala an-daharana sa natahotra mpaka sary?

Azavao kely hoe ry kapiteny Ntsay? Ary Tromlin koa toa tsy natao tanaty resaka, sa efa nilamina ny momba an'iny misy solika sy gaz marobe iny?

Ho any Paris aninona? Angaha mbola averina indray ny fitsarana nataon'ny ONU? Efa didy mivoaka, fampiharana didim-pitsarana sisa no atao, tian-kano, tsy tian-kano, any amin'ny ONU izy no mitaraina raha mbola tsy tapitra ny lalana, fa ny resaka zao dia oviana isika no andeha any hametraka ny sainam-pirenentsika, ka hilaza ny Filoha hoe " Eto dia Madagasikara".

Ny fikambanana greenpeace aza mahavita mianika sambo mitondra fako nokleary ireny, ka miaramilantsika 1000 ve no mandeha any, dia hitifitra eo izy? 7 fotsiny anie ny miaramila frantsay miambina ao e?

Tsy takiana ireo Nosy Malagasy ireo, fa alaina. Apetrao ny tetika ara-tafika hiarahana amin'ireo firenena Afrikanina, SADEC, COMESA, ny Sinoa, ny Rosianina, torio any amin'ny tribunal international tamin'ny famonoana faobe ny Malagasy tamin'ny fanjanahan-tany, ny filoha Emmanuel Macron mihitsy no efa nanao aveux public fa génocide no nitranga tamin'ny fanjanahan-tany, ny Filoha Jacques Chirac nanao fialan-tsiny tamin'ny anaran'ny Lafrantsa ihany koa.

Omeo fotoana fetra amerenany ireo Nosy Malagasy ireo, raha tsy izany dia akatony ny Masoivoho Frantsay eto Madagasikara. Afaka mipetraka malalaka ny tera-tany Frantsay sy ny orinasany, fa mazava ho azy fa tokony hiatrika ihany koa fanakatonana ny masoivohintsika any Frantsa isika, ary raha mifanenjana dia mety samy ampody ireo terataniny mipetraka aty sy any isika. Vonona amin'izany ve isika?

Lafrantsa no mila an'i Madagasikara, fa tsy Madagasikara no mila an'i Lafrantsa, masahia mijoro.

Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.