Fanendrena Governora: « Mifanaraka amin’ny Lalampanorenana », hoy ny HCC

  • jeudi, 28 novembre 2019 15:01
  • Zakaria

Namaly ny taratasy fangatahan’ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, tamin’ny 5 novambra 2019, ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, raha toa ka mifanaraka na tsia amin’ny Lalampanorenana ny didim-panjakana 2019-1866 tamin’ny 25 septambra 2019 nanendrena ireo Governora.

Tamin’ny fanapahana 17-HCC/D3 navoakany androany 28 novambra 2019 no nilazan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana fa mifanaraka amin’ny Lalampanorenena ny fanendrena Governora voarakitry ny didim-panjakana 2019-1866 tamin’ny 25 septambra 2019.

Vonjimaika ihany ny fanendren’ny fitondrana foibe ny rafitra mpanatanteraka eny anivon’ny Faritra, mandrampametrahana ny satan’ny vondrombahoakam-paritra ary fomba fiantso ny « lehiben’ny Faritra » fotsiny ihany ny hoe : « Governora », tsy mifanohitra amin’ny voalazan’ny Lalampanorenana.

Governora miisa 11 no efa voatendry tamin’ny andiany voalohany, mety ho alohan’ny faran’ity taona ity ny fanendrena ireo ambiny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.