Lisi-pifidianana: Manomboka misokatra ho an'ny olompirenena isam-pokontany

  • dimanche, 01 décembre 2019 14:36
  • Zakaria
  • Sary: CENI Madagascar

Isan-taona, ny 1 desambra hatramin'ny 15 mey no fotoana voatondron'ny lalàna hanavaozana ny lisi-pifidianana. Androany 1 desambra no manomboka misokatra ho an'ny olompirenena ny lisi-pifidianana isam-pokontany.

Ny 1 desambra 2019 hatramin'ny 15 febroary 2020 no fepotoana ahazoana misoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana eny anivon'ny Fokontany.

Amin’ny 28 febroary 2020, ny famaranana vonjimaika ny lisi-pifidianana. Aorian'izay dia miakatra eny amin'ny "Centre informatique de District" (CID) ireo boky firaketana ny fanavaozana isam-pokontany, arakitra ara-kajimirindra, ary atonta vonjimaika ny lisi-pifidianana.

Averina eny amin'ny Fokontany ny lisitra natonta vonjimaika, natao hojeren'ny olompirenena rehetra, ary afaka manao fanamarihana na fanitsiana ny olompirenena raha toa ka mahita tsy fahatomombanana (ohatra: diso fanoratra, misy fahadisoana ny mombamomba ilay mpifidy, sns)

Mandritra ny 20 andro aorian'ny fahatongavan'ny lisitra vonjimaika no anaovana fanamarinana ny lisi-pifidianana (vérification) ataon'ny mpifidy rehetra, fanaovana fanitsiana sy fanamarihana

Amin’ny 15 mey 2020 ny famaranana tanteraka ny lisi-pifidianana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.