Fifanolanana ara-pifidianana: 32 ireo fitoriana sy fitarainana efa voarain'ny CENI

  • mercredi, 04 décembre 2019 17:20
  • Zakaria

Nanomboka ny alakamisy 28 novambra 2019 ny fotoana fametrahana fitoriana mikasika ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fampielezankevitra momba ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolontsain’ny tanàna, sy ny tamin’ny andron’ny latsa-bato ny alarobia 27 novambra 2019.

Manerana an'i Madagasikara, 32 ireo fitoriana sy fitarainana voarain'ny CENI (24 mikasika ny fifidianana Ben'ny tanàna, 8 mikasika ny fifidianana Mpanolotsaina). Miisa 14 kosa ireo fitoriana voarain'ny Fitsarana Misahana ny ady amin'ny fanjakana manerana ny nosy hatreto, ka ny 10 amin'ireo dia teto Antananarivo.

Raisin'ny CENI hatramin’ny fotoana amoahany ny voka-pifidianana vonjimaika izay rehetra fitarainana sy fitoriana mbola ho avy, ary hatolony ny Fitsarana mahefa hitsara izany.

Hatramin’ny zomà ho avy izao amin’ny 12 atoandro kosa no fe-potoana farany ahafahana mangataka fampitahana taratasy fitanana an-tsoratra ny latsabato (confrontation de PV). Kandida iray avy ao amin'ny kaominina Analaroa Anjozorobe hatreto no nanao fampitahana PV teny amin'ny CENI foibe Alarobia.

(Loharanom-baovao CENI)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.