Fitsarana Avo: Idealison sy Rivotiana Jean Bosco no solontenan’ny Antenimieram-pirenena

  • jeudi, 05 décembre 2019 13:59
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Voafidy omaly ireo depiote solontenan’ny Antenimieram-pirenena ho mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo na « Haute Cour de Justice ».

Voafidy ho mpikambana raikitra i Idealiso izay, solombavambahoaka voafidy tao Ampanihy, Faritra Atsimo Andrefana, sy Rivotiana Richard Jean Bosco izay solombavambahoaka voafidy tao Lalangina, Faritra Matsiatra Ambony.

Voafidy ho mpikambana mpisolotoerana i Mamizara Yasmirah Loeticia izay solombavambahoaka voafidy tao Besalampy, Faritra Melaky, sy Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina na Anyah izay solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo III.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.