Nosy Malagasy: « Tsy azo ekena velively ny fiaraha-mitantana, averina tsy misy hatak’andro », hoy ny SECES Antananarivo

  • samedi, 07 décembre 2019 20:18
  • Zakaria

Nanao fanambarana momba ny fitakiana ireo Nosy Malagasy ny SECES (Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra) Sampana Antananarivo, izay nivory ny zoma 06 desambra 2019 « manainga ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka sy ireo tera-tany vahiny rehetra mieli-patrana manerana izao tontolo izao izay miray fo amintsika mba hiray saina sy hampandefitra ny hambom-po ka hanamafy ny fitakiantsika ireo Nosy Malagasy bodoin’ireo fahavalom-pirenena; anisan’izany ny Juan de Nova, Europa, Bassas di India, Les Iles Glorieuses, Tromelin ».

« Antsika madiodio ny Nosy Malagasy ary Firenena mahaleo tena i Madagasikara, koa tsy misy azo hiadian-kevitra velively ny amin’ny mety ho fiheveran’ny sasany ny ho fiaraha-mitantana na “cogestion”, ary takiana ny famerenana azy ireo tsy misy hatak’andro sy fandoavan’ny fitondrana Frantsay onitra ho takalon’ny fibodoany ny tany Malagasy nandritra ny 123 taona mahery », hoy ny fanambarana.

« Fihantsiana sy famakiana ady, tsy amin’ny fitondram-panjakana fotsiny ihany fa amin’ny Vahoaka Malagasy rehetra ny fanambarana misesisesy nataon’ny Filoha Frantsay. Koa dia aoka hisikim-ponitra sy hitombandahy isika rehetra amin’ny fiarovana ny Tanindrazantsika sy ny lovan’ny taranaka mba hamongorana hatramin’ny fakany ny endri-panjanahana sy fanamparam-pahefana diso toerana », hoy ny SECES sampana Antananarivo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.